Sosialy

FARITRY NY RANOMASIMBE INDIANINA: Ahina hisy andro ratsy hiforona amin’ny faran’ny herinandro

Vinan’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity ny hoe tsy hisy ny tranga mahery vaika mety hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara. Aorian’izay anefa dia mety hisy andro ratsy hiforona any amin’ny afovoan’ny Ranomasimbe Indianina amin’ny faran’ity herinandro ity. Mila fiomana mialoha ny fiatrehana ny mety ho fahatongavan’ny rivodoza ka mila mahafehy ireo filazana loza mifandraika amin’izany ny tsirairay.

Tsy mbola hita taratra eto an-drenivohitra aloha hatreto ny maha vanim-potoan’ny fahavaratra, na dia efa tafiditra ao anatin’izany aza isika nanomboka ny volana oktobra lasa teo. Raha ny vinam-pahavaratra nandritra izay roa volana voalohany izay mantsy, ny volana oktobra sy novambra 2024, dia nambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa somary latsaka raha oharina amin’ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana any amin’ny Faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, ny tapany andrefan’i Ihorombe, ny tapany avaratry ny Faritra Anosy, ary ny tendrony andrefan’ny afovoan-tany. Hifanaraka na somary hanatombo noho ny tokony ho izy kosa ny rotsakorana any amin’ny faritra Diana, Sava, ny ilany atsinanan’i Sofia, ny Faritra Ambatosoa, Analanjirofo ary ny tapany avaratry ny Faritra Atsinanana. Hanodidina na hilatsaka noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra sisa.
Mahakasika manokana ny marimpana, hafana noho ny tokony ho izy izany saika manerana ny Nosy, afa-tsy ny any amin’ny Faritra Boeny, ny tapany andrefan’ny Faritra Betsiboka sy Sofia, ny tapany avaratry ny Faritra Melaky, izay hanodidina na hiakatra kely noho ny tokony ho izy. Hifanaraka na hiakatra raha oharina amin’ny tokony ho izy kosa ny tahan’ny maripana amin’ny Faritra Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Androy, ny tapany atsinanan’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, ny tapany avaratry ny Faritra Anosy, ny tapany atsimon’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Satria tsy afa-misaraka amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny rivodoza dia vinavinaina ho mafy kokoa ny vanim-potaonan’ny rivo-doza amin’ity taona 2024-2025 ity, mety hifanakaiky na ho mafy kokoa noho ny tokony ho izy. Vinavinaina hanodidina ny 2 hatramin’ny 5 ny isan’ireo rivo-doza mety hisy fiantraikany mivantana ho an’i Madagasikara. “Marihina manokana fa ahiana mafy ny hisiana rivo-doza mety hiditra an-tanety avy any avaratra-atsinanana, afovoany-atsinanana sy atsimo-atsinanan’ny Nosy. Marihina anefa fa mety hisy koa ny rivodoza avy any amin’ny ilany andrefana manamorona ny Lakandranon’ny Mozambika”, hoy hatrany ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Notsindrian’izy ireo ihany koa fa noho ny fiovan’ny toetrandro amin’izao fotoana dia rivodoza mahery vaika 1 ihany dia efa mety hiteraka voka-dratsy goavana.
LEG1: Ambany ny tahan’ny rotsakorana amin’ny Faritra maromaro. (sary fanehoana)
Vina mandritra ny herinandro…
Mandritra ity herinandro ity, “tsy hisy tranga mahery vaika mety hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara”, hoy ny vinavinan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ankilany anefa, nambaran’izy ireo fa mety hisy andro ratsy hiforona any amin’ny afovoan’ny Ranomasimbe Indianina amin’ny faran’ny herinandro. Hisy fandalovana rindrin-drahona ao amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Hivangongo kokoa any amin’ny ilany Andrefana sy ny atitany Atsimon’ny Nosy ny orana tandrifindrahona mety harahina-kotroka indraindray. Tombanana ho maina kosa ny any amin’ny faritra hafa. Tsikaritra fa mbola mijanona ho ambony hatrany ny maripana mandritra ity herinandro ity. Manodidina ny 09°C hatramin’ny 27°C ny maripana ambany ny maraina. Eo anelanelan’ny 26°C hatramin’ny 39°C kosa ny maripana ambony mandritra ny tolakandro.
LEG2: Hisy andro ratsy hiforona any afovoan’ny Ranomasimbe Indianina. (sary tahiry)

Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny filazana loza
Mba tsy ho tampohana amin’ny fihavian’ny loza dia mila fiomana ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza. Mifandraika amin’izany indrindra ny fahaizana mifehy ireo filazana loza mandritra ireny vanim-potoan’ny rivodoza ireny. Ireo filazana loza ireo no mamaritra ny fepetra tokony ho raisina sy ny fiomanana. Mitsinjara toy izao ireo fiomanana mifandraika amin’ireo filazana loza.

FILAZANA MILOKO MENA
(Loza mitatao) FILAZANA MILOKO MAVO
(Loza manamabana) FILAZANA MILOKO MAITSO
(Filazana fanairana)
Efa mihatra amin’ny toerana naharay azy ny loza:
-Toniana ny saina
-Mipetraka amin’ny toerana azo antoka
-Tsy mivoaka ny trano intsony
-Tapahana ny herinaratra, hamafisina ny hidin’ny varavarana, ny fantsin-drano ary ny fizaran-jiro
-Mitandrina amin’ny mety ho fahatonian’ny andro tampoka fa hiverina hiharatsy izany avy eo
-Manaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny rivodoza
-Mifampizara vaovao, indrindra amin’ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo 1 na 2 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza:
-Hakarina an-tanety ny lakana sy ny baka
-Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsy
-Manangona vatoharatra sy labozia fatao am-paosy
-Afindra amin’ny toerana azo antoka ny biby fiompy
-Manara-maso ny zaza sy ny tanora
-Mifampilaza ny isan-tokantrano amin’ny fandaharam-potoana rehetra
-Mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana
-Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsy
-Mifampizara vaovao, indrindra amin’ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo 2 hatramin’ny 5 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza:
-Tsy miandriaka intsony
-Mioty sy mitahiry ny voly mba tsy ho simba
-Hamaisina ny trano
-Manao fantsona manakaiky ny trano mba hisorohana ny tondra-drano anaty tanàna
-Mampilaza ny tompon’andraikitra raha mahita hazo mety hitera-doza
-Tehirizina amin’ny toerana azo antoka ny antontan-taratasy sy ny fanafody
-Manaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny rivodoza
-Mifampizara vaovao, indrindra amin’ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer