Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FASAN’NY KARANA: Lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao, maty tsy tra-drano
Nandriaka ny rà, hatairana ny an’ny rehetra ! Lehilahy iray tokony ho 40 taona, no nitsoraka tao ambany kamiao misy “remorques” sy notetezin’ny kodiarana, ary maty tsy tra-drano, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka 10 minitra maraina, teo amin’ny sampanana “rond point” Ankadimbahoaka hihazo ny lalana mankany amin’ny Fasankaràna. Tsy mbola fantatra mazava hatreto, ny mombamomba ity lehilahy ity, raha ny tatitra nomen’ny Polisim-pirenena tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana. Fantatra ihany koa, fa tsy mponina eny amin’ny manodidina izy io. Ireo mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana no nanao ny fanadihadiana teny an-toerana, ary niantso ny “BMH” hitondra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Notànana natao andrimaso sy nanaovana fanadihadiana ny mpamilin’ilay fiarabe. Raha ny filazan’ny nanatri-maso teny an-toerana dia efa nanambana hitsoraka tao ambany fiarabe ity lehilahy ity, saingy nanao ho nijanona ilay kamiao. Rehefa nandroso anefa izy dia izao tanterany izao ihany ny faniriany. Teo koa ireo nilaza, fa nitomany izy talohan’izao safidim-piainana tanterany izao. Tsy fantatra mazava, araka izany, izay tena olan’ny ranamana ity ka nahatonga azy ho toy izao. Tsy mbola nisy olona na havana akaiky azy ihany koa tonga teny amin’ny tranom-paty hatramin’ny omaly hariva. Heverina araka izany, fa mety ho mpivahiny nandalo na tsy manan-kialofana ity lehilahy voalaza ho namono tena ity. Ho an’izay mety mahalala na mahafantatra azy, anefa, dia nanao pataloha “jean” manga, kapa mainty, ary ambony “jogging” manga antitra misy tsipika fotsy amin’ny sandriny izy, ny andron’ny omaly nitrangan’ny loza io. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
Nangonin’i S.R




