Songadim-baovaoSosialy
FASAN’NY KARANA : Nahazo fanomezana ireo mpandeha tavela noho ny rivodoza
Anjatony ireo mpandeha taraiky tetsy amin’ny fasan’ny Karana nanomboka ny harivan’ny zoma teo, fotoana izay nanombohan’ny tsy fahafahan’ny taksibrosy mandeha intsony, noho ny fiavian’ny rivodoza Batsirai. Ny andron’ny sabotsy sy alahady dia nitohy io fiaton’ny fifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena io. Omaly 06 Febroary 2022, tonga nijery ireo olona taraiky teny amin’ny Fasan’ny Karana Andriamatoa Ladislas Adrien Rakotondrazaka, Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana.
Raha vao nahare ny antso vonjin’ireo havana tavela ao amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara ao amin’ny Fasan’ny karana ny tenany dia nidina teny an-toerana ary niara-nisalahy tamin’izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa Paubert Mahatante Tsimanaoraty, ny solotenan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy ary ny filohan’ny Fikambanan’ny Terak’i Androy, FITEAM, Andriamatoa Goulamaly Jaques Bruno fils. Ao anatin’izao fifanampiana sy fiaraha-mientana izao dia nitondra vatsy hoazy ireo ireto mpisolon-tenam-panjakana ireto ka nanolotra vola 600 000 ariary sy vary enina gony hanampiana ireo olona ireo mandrapahatonga ny Talata hahafahan’izy ireo mamonjy ny fodiana. Marihina fa olona saika hihazo fodiana any Atsimo ireto tavela ao amin’ny Gare routière an’ny fasan’ny Karana ireto raha sendran’ny fahatapahan-dalana noho ity rivodoza Batsirai ity.




