Songadim-baovaoSosialy
FEFILOHA VAKY TAO ATSIMONDRANO : Tafakatra 14 ny trano rava, 11 147 ny olona traboina
Mivoatra ny antontanisa voaray teo anivon’ny BNGRC mikasika ny tondra-drano be niteraka fahavakisana fefiloha tao Atsimondrano. Omaly tamin’ny 04 ora tolakandro, dia fantatra, fa tafakatra 14 ny isan’ireo trano voamarina fa nazeran’ny rano ka rava tanteraka. Mahatratra 2 583 no dibo-drano. Nijanona 03 ny olona namoy ny ainy hatramin’ny omaly io, tao Ambohijanaka sy Ampitatafika. Tsy nisy ny tsy hita popoka na naratra hatreto. Teto Analamanga, dia distrika 04 sy kaominina 06 no voakasik’ity tondra-drano be ity. Eo amin’ny lafiny traboina indray, dia tafakatra 11 147, na tokantrano 3 152, ka ny ao amin’ny distrikan’Atsimondrano no maro an’isa amin’izany, 9 696 na tokantrano 2 728. Antananarivo I, 680, Antananarivo IV, 761, ary Antananarivo II 10. Miisa 5 258 na tokantrano 1 604 no nafindra toerana azo antoka amina « sites » 08 am-perinasa amin’izao fotoana, ka ny ao Atsimondrano mazava ho azy, no maro an’isa, izay mahatratra 5 263. Raha ny fampitam-baovao farany nomen’ny APIPA, omaly tolakandro, dia nidian eo amin’ny filazana loza manambana na fampitandremana miloko mavo ny haavon’ny reniranon’i Sisaony. Na izany aza, tsy mitsaha-manentana ny mponina amin’ireo kaominina maromaro voatanisa omaly, mba ho mailo sy hanaraka toromarika ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i Stan R.




