Politika

FENOARIVO ATSINANANA : Mponina manodidina ny 7000 hisitraka ny « Tosika fameno »

Fianakaviana miisa 250 isan’andro no misitraka ny « Tosika fameno » any Fenoarivo Atsinanana. Nambaran’ny minisitry ny Mponina fa fianakaviana miisa 7000 no hisitraka izany, izay vatsian’ny PAM vola…

Isan’ny nisitraka ny « Tosika fameno » ireo marefo.

Tao amin’ny Paositra ao Fenoarivo Atsinanana no nisantarana ny fizarana ny « Tosika fameno » ny farany herinandro lasa teo. Fiaraha-miasa avy amin’ny « Western union » moa no nahafaha-nanao izany ary fianakaviana manodidina ny 250 isa isan’andro no hisitraka izany, mandra-pahavita ny fandoavana azy rehetra. Araka ny fanazavana nomen’ny minisitry ny Mponina, Angelica Bavy Michelle fa « manodidina ny fianakaviana 7 000 no hisitraka ity « Tosika fameno » ity ho an’ny Fenoarivo Atsinanana. Ny PAM na ny « Programme alimentaire mondiale » no namatsy vola sy nanao ny fitiliana ireo fianakaviana hisitraka izany. Nanome voninahitra ny fanombohana ny fizarana ity « Tosika Fameno » ity, ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Olona maro no nijoro vavolombelona, ary naneho ny hafaliany, noho ny fisitrahany izany.

Isan’ny nisitraka izany i  Elizah, 35 taona, Mpampianatra Fram, mitondra vohoka. Manan-janaka 3 taona sy enim-bolana. Nisaotra ny Filoha izy amin’izao fitsinjovana azy izao, izay nahatsiaro tena fa sahirana tanteraka. Ho an’i Mirana Valentina, 47 taona, mpanjaitra. Ankoatra ny fahazoana an’ity « Tosika Fameno » ity dia mangataka famatsiam-bola amin’ny alalan’ny Fihariana izy na milina fanjairana « machine à coudre », mba hameloman-tena. Nanome toky ny Filoha Andry Rajoelina fa handefa milina fanjairana ho azy. Isan’ireo nisitraka izany koa i Kalo Maria Zoëline, 28 taona. Tsy miasa izy, kanefa mitondra vohoka valo volana. Nanome toky ny Filoha fa hiantohana ny fitaovana hiterahany sy ny akanjon-jaza ary ny ronono ho an’ny zaza. Tsy diso anjara koa ny Zokiolona, ka isan’izany i Bavy Margueritte, 80 taona. Manana zafikely miisa 25 sy zanaka miisa dimy. Tsy mahita fa voan’ny « cataracte ». Efa notsaboina fa tsy nety sitrana. Nanome toky ny Filoha fa hotsaboina izy. Ny Prezidansa no hikarakaraka azy.

Fotodrafitrasa isan-karazany…

Tosika fameno, Filoha, Fenoarivo atsinanana
Tsy nohadinoin’ny Filoha ny nanolotra ny hazavana maimaimpoana.

Ankoatra ireo, manohy manatanteraka ny velirano nataony tamin’ny vahoaka ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’ireny ny Oniversite maoderina lehibe sady raitra sy Kianja manara-penitra tsy mena-mitaha amin’ny an’ny hafa  hitsangana tsy ho ela any Fenoarivo Atsinanana. Tonga tao an-toerana nijery ny fandrosoan’ny asa fananganana ireo fotodrafitrasa ireo ny Filoham-pirenena. Hamboarina  koa ireo lalana rehetra ao Analanjirofo, izay efa nampitaraina ny mponina hatramin’izay. Isan’izany ny lalana mampifandray an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, ny lalan’i Mananara Avaratra hatrany Maroantsetra ary ny lalan’i Soanierana Ivongo. Mirefy eo amin’ny 75 km eo ny lalana hamboarina ao Analanjirofo. Nanome toromarika mazava ireo orinasa hanantateraka izany kosa, ny Filoha Andry Rajoelina, indrindra  ny kalitaon’ireo lalana izay tokony haharitra 5 taona farafahakeliny. Isan’ny tsy nohadinoin’ny Filoha tany an-toerana ny mitondra hazavana ho an’ireo tokantrano niaina tanaty haizina. Maro izy ireo no mbola tsy manana herinaratra, tahaka ny tao Antsikafoka – Mahambo, izay nitondrana jiro mandeha amin’ny masoandro avokoa.

Fermer