Songadim-baovaoToekarena
FEPETRA ARA-TOEKARENA: Efa mandeha ny fividianan’ny Fanjakana ireo vokatry ny tantsaha
Tsy arak’izay iniana haparitaka. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fividianan’ny Fanjakana ny vokatry ny tantsaha, araky ny efa nampanantenain’ny Filoha. Efa nisitraka izany ireo tantsaha tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Nanomboka omaly kosa ny fidinana ifotony nataon’ny Fanjakana amin’ny fividianana ireo vokatra avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Karaoty 10 taonina, ovy 10 taonina sy laisoa miisa 5000 no novidiana tamin’ny tantsaha tamin’izany…

Nanomboka omaly ny fanangonana sy ny fividianana ireo vokatry ny tantsaha ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, araka ny efa nampanantenain’ny Filoha. Ho an’ny omaly, tao amin’ny kaominina Ambano faritra Vakinankaratra no nanatanterahana izany. Karaoty 10 taonina, ovy 10 taonina sy laisoa miisa 5000 no novidiana tamin’ny tantsaha omaly, araka ny fampitam-baovao. Ekipa avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no nidina tany an-toerana nisahana ny fanangonana ireo vokatra, ka tamin’ny vidiny ara-drariny no nandraisana ny vokatra mba tsy hahafaty antoka ireo tantsaha.
“Afa-po sy velom-panantenana ny tantsaha amin’ny vidiny vokatra. Nambaran’izy ireo fa novidian’ny Fanjakana amin’ny vidiny mihoatra ny mahazatra aza ny vokatra”, hoy ny tatitry ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
Araka ny fanazavana mantsy, tafiakatra 600 ar ny kilaon’ny karaoty hividianana ny Fanjakana ny vokatra amin’izao raha toa ka 450 ar izany amin’ny mpanangom-bokatra. Ireo vokatra ireo izay hozaraina eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Vatsy tsinjo.
Azo antoka, tsara vidy, ary manala fahasahiranana
Nanambara ireo tantsaha nahazo tombony tamin’izao hetsika izao fa tena manampy betsaka ny fihariana ataon’izy ireo ny hataon’ny Fanjakana. Nitsotra ireo mpamokatra ireo fa sarotra ho azy ireo ny nahita tsena sy lalam-barotra teo aloha noho ny Hamehana ara-pahasalamana. Teo anatrehan’izany, saika tsy tafavoaka avokoa ny ampahany betsaka tamin’ireo vokatra. Noho io tsy fivoahan’ny vokatra io, novidian’ireo mpanagom-bokatra tamn’ny vidiny mora dia mora ireo legioma. Izany hoe nisy fanararaotana tao. Ny vidiny andraisan’ny Fanjakana azy amin’izao fotoana anefa dia mitovy amin’ny vidiny mahazatra talohan’ny fihibohana ka mahavelom-bolo ireo tantsaha. Etsy ankilany, azo antoka ny fandoavam-bolan’ny Fanjakana satria “eo no ho eo”.
“Izay entana voalanja dia aloa vidiny eo no ho eo ka tsy misy intsony ireo voafitaky ny mpanangom-bokatra”, hoy ny fanazavana.
Ankoatr’ireo, mihena ny fahasahiranana amin’ny fitaterana ireo vokatra satria ny fiarabe no tonga manatona avy hatrany, eny amin’ireo kaomina ambanivohitra. Tsara marihana fa efa nisy hatrany ny fividianana legioma toy izao nanomboka tany fianarantsoa. Omaly ihany dia efa nentina nihazo an’Antananarivo ireo vokatra mba ho atao vatsy tsinjo ho an’ny renivohitra. Anio dia mbola misy kamiao lehibe faharoa hiainga avy any an-toerana.




