Songadim-baovaoToekarena

FEPETRA FISOKAFAN’NY SISINTANY : Miantso fifampiresahana amin’ny Fanjakana ireo vondron’ny sehatra tsy miankina

Efa tsy hita pesipesenina intsony ny fatiantoka azon'ny sehatra tsy miankina, hatramin'ny nikatonan'ny sisintany, ny Marsa 2020, no ho mankaty. Tsirim-panantenana ho azy ireo, noho izany, ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana nanokatra indray ny habakabak'i Madagasikara. Tsy nifanojo tamin'izany anefa ny fepetra nampifanarahan'ny Fanjakana tamin’ny fisokafana, fa lasa sakana amin'ny fahatongavan'ny vahiny eto amintsika.

Tsy ny sehatry ny fizahantany ihany no lasibatra amin’ny fikatonan’ny sisintany teto amintsika nanomboka ny 20 Marsa 2020. Ho an’ny vondron’ny orinasa afakaba manokana, tsena maro no tokony ho azo notrandrahana kanefa votsotra noho ny fepetra fikatonana noraisin’ny Fanjakana. Mpiasa maro ihany koa no very asa, noho ny tsy fahatongavan’ny vahiny aty Madagasikara. Marihina fa raha ny sehatry ny fizahantany no resahina dia voakasika ao anatin’izany avokoa, manomboka any amin’ny mpandraharaha ara-pizahantany, ka hatrany amin’ireo mpiasa madinika, toy ny mpitarika posy, ny mpanadio trano, ny mpampanofa fiara, ny mpitari-dia, sy ny sisa.  Raha nisy, araka izany, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana mahakasika ny fisokafan’ny sisintany ny 05 Marsa teo, dia tokony hitodika mankany amin’ny fanarenana ny toekarena. Tena mitodika mankany amin’izany tokoa ve ny vinan’ny Fanjakana ankehitriny? Fanontaniana napetraky ny sehatra sy miankina io, omaly, izay nahitana ny GEM, CTM, FIVMPAMA, sy ireo mpisehatra marobe tsy voatanisa. Firenena maro no mbola mametraka an’i Madagasikara no isan’ireo firenena tsy mbola azo aleha amin’izao fotoana, hoy izy ireo. Izany dia noho ny fepetra napetraky ny Fanjakana ho fisorohana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Tokony havahana tsara, hoy ireo mpisehatra ireo, ny fepetra fiarovana ny Covid-19 sy ny resaka ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko. A     ry tsy tokony hatao sorona amin’ny ady amin’ny trafikana volamena sy vato sarobidy ireo kaompaniam-pitaterana, araka ny fanazavana hatrany.

Tolo-kevitra vitsivitsy

Eo anatrehan’ireo rehetra ireo, manana tolo-kevitra ireto vondron’ny sehatra tsy miankina ireto, mahakasika ny fepetra tokony horaisina mifandraika amin’ny fisokafan’ny sisintany, izay tokony hanome lanja ny fanarenana ny toekarena. Isan’izany ny fanaovana fitiliana any am-piaingana, fa tokony hofoanana kosa ny fanaovana fitiliana aty am-pahatongavana sy ny fitokana-monin’ireo mpandeha. Etsy ankilany, tsy tokony hampifangaroana ny fepetra momba ny valanaretina Covid-19 sy ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko. Tolo-kevitra naroson’ireto mpisehatra ireto ihany koa ny tokony hampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny Covid-19 eto Madagasikara, izay isan’ny mason-tsivana mampazoto ny vahiny ho avy eto amintsika. Tao anatin’ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly ihany koa no niantsoan’izy ireo fifampiresahana amin’ny Fanjakana foibe mahakasika ireo fepetra rehetra ireo. Ny Fanjakana ihany, hoy izy ireo, no manapakevitra ny amin’izay tokony hatao eto amin’ny firenena, saingy kosa, tokony hatao zava-dehibe ny fakan-kevitra amin’ny sehatra tsy miankina satria miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fampihodinana ny toekarem-pirenena izy ireo, ary mampiasa olona maro.

Mitaky fanovana Minisitra

Ankoatra izay, amin’ny maha sehatra stratejika ny sehatry ny fitaterana, indrindra ny fitaterana anabakabaka, niantso ny tomponandraikitra mpanapa-kevitra any ambony ireo mpisehatra ireo ny mba hametrahana olona afaka mahafehy tsara izany sehatra izany, eo anivon’ity Minisitera ity. Fangatahana izay mifandraika tamin’ny fanapahan-kevitra voalaza fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, noraisin’ny Minisitra misahana ny Fitaterana ankehitriny, ka nampiteraka resabe.

Fermer