Songadim-baovao
FEPETRA FISOKAFAN’NY ZOTRA: Nanamafy ireo fepetra ny eo anivon’ny minisitera
Tapa-bolana izay no nanokafana ny zotra mankany amin’ny faritra Atsinanana, ary mbola mitombina hatrany ireo fepetra rehetra napetraky ny tompon’andraikitra ara-panjakana, sy ireo rantsa-mangaika mpiahy izany eto amin’ny firenena. Voalazan’ny Filoham-pirenena ny voalohan’ny herinandro teo, ary nohamafisin’ny minisitry ny Fizahan-tany sy famantarana ny toetr’andro misahana ny fitaterana, Randriamandranto Joel, fa mbola mitombina hatrany ireo fepetra napetraka, raha misy ny niampy ho an’ny zotra anabakabaka izay vao hisokatra ny 01 oktobra ho avy io, ho an’i Nosy-be, sidina avy any ivelany natokana hoan’ireo mpizahatany. Raha io fisokafana amin’ny any ivelany hidiran’ireo mpizahatany avy any ivelany mankao Nosy-be io, dia fantatra fa tsy maintsy hisy fitiliana fakana singa atao azy ireo, 72ora alohan’ny fiaingana any an-toerana, ary hisy koa izany vantany vao tonga eto izy ireo. Tsy afaka mivezivezy miala ao an-toerana izy ireo, amin’izay fotoana izay, na dia eo Ankify aza, raha ny nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra. Nohamafisiny koa, fa “tsy maintsy mametraka laharana finday izy ireo, hahafahana miantso azy, raha misy trangan-javatra voakasiky ny ara-pahasalamana. Tsy izany ihany fa tsy maintsy antsoina isaky ny telo andro izy ireo, hahafahana mitily ny covid, mba hahafahana mifehy mialoha ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina”. Toy izany koa, rehefa hiala eto izy ireo, dia hanaovana fitiliana 72ora mialohan’ny hitodihany an-tanindrazany. Raha ity zotra anabakabaka ity, fantatra fa mbola eo am-pandinihina ireo zotra mihazo ny faritra rehetra ambiny, ny fitondram-panjakana, ka hojerena amin’izany ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny covid-19 amin’ireo firenena afaka, na tsia miditra eto, hatramin’ny farany taona izao, raha hanomboka ny volana oktobra io hatrany. Ankoatra ny faritra Sava sy Diana, izay mbola tsy misokatra fa miankina tanteraka amin’ny fivoaran’ny covid-19 any an-toerana, fantatra fa hisokatra ny zotra an-tanety mampitohy faritra maro. Ny fepetra anefa, mitombina hatrany, ary hanamafy ny fitsirihana amin’ny fahatanterahan’izany ny eo anivon’ny minisitera sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Voalohany amin’izany ny mbola fanamafisana ny famenoana ny “manifold”, ho an’ireo mpandeha rehetra, na ny famenoana izany hatrany, raha sendra misy ny latsaka an-dalana. “hanamora ny fanarahana ireo olona rehetra iray fiara izany, raha sendra misy ny sanatriavina tratran’ny covid”, nanampy fanazavana ny minisitra. Eo koa ny tsy maintsy hanaovan’ny rehetra arotava roa raha kely, hisoloana eny an-dalana. Tsy afa-miainga kosa ireo fiara tsy manana tsiranoka fanasan-tanana. Nohamafisin’ny minisitra, fa ny fanarahan’ny rehetra ireo fepetra voalaza, no antoka tsy hiparitahan’ny tsimokaretina, ary hisokafan’ny zotra miandalana.


