SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FEPETRA VAOVAO : Tsy misy intsony ny « Couvre-feu » manomboka anio
Mbola mitoetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny Hamehana ara-pahasalamana, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, ny Sabotsy teo. Noho izany, tsy maintsy mbola misy hatrany ireo fepetra tsy maintsy hajaina mba handresena tanteraka ny aretina, ary mba tsy hiitaran’izany intsony amin’ny faritra hafa. Omaly, nisy ireo fepetra vaovao indray, ho an’ny 15 manaraka izay nambaran’ny Filoha. Tamin’ny ankapobeny, nohalefahana ny fepetra, raha toa ka tsy nisy fiovany kosa ny lafiny hafa. Nisongadina tamin’izany kosa ny tsy fisian’ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina intsony, na ny “Couvre-feu”, manerana ny Nosy. Manomboka anio izany fepetra izany. Na izany aza anefa, tsy maintsy mbola hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra efa nahazatra hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana arotava, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanasana tanana matetika na ny fampiasana ny Gel désinfectant, sy ny sisa hafa koa.
Hetsika ara-panatanjahantena
Nohamafisin’ny Filoha fa tsy tokony hivoaka ny trano raha tsy misy antony manokana ny olona. Araka izany, mbola voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200. Efa azo atao ksoa anefa ny hetsika ara-panatanjahantena saingy tsy mahazo mihoatra ny 200 ny olona mahazo manatrika izany. Nomena alalana hifamezivezy koa ireo olona mitondra razana, raha voamarina fa tsy Covid-19 no nahafaty ilay olona. Na izany aza, mbola ts azo atao ny manatanteraka Famadihan-drazana hatreto. Ho an’ny fitaterana, tsy nisy fiovana ireo fepetra tamin’ny 15 andro farany tamin’ny ankapobeny. Izany hoe, mitohy miasa ny taxi-brousse rehetra manerana ny Nosy. Tsy mahazo mitondra olona mihoatra ny telo kosa ireo fiarakaretsaka. Mitohy misokatra ihany koa ireo sidina anatiny, saingy tsy maintsy manao fitiliana 48ora mialohan’ny sidina ireo mpandeha rehetra. Fotoana izay nanambaran’ny Filoha fa mitohy amin’ny fandraisana ireo mpizahantany I Nosy Be. Omena alalana misokatra hatrany koa ireo toeram-pivavahana, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra efa voambara hatrizay, toy ny fanasana tanana, fampiasana Gel, fanajana ny elanelana iray metatra, sy ny sisa.



