Songadim-baovaoToekarena
«FESTIVAL DES BALEINES» 2024 : Hatsaraina hatrany ireo hetsika fisintonana mpizahatany
Raikitra! Ny 13 hatramin’ny 21 jolay 2024 izao indray no hanatanterahana ny hetsika ara-pizahantany «festival des baleines» fatao any Sainte Marie. Andiany fahafito io tanterahana amin’ity taona ity io. Lasa fotoana hifanomezan’ireo mpizahatany eto anatiny sy hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny “festival des baleines” ka mametraka azy ho eo amin’ny toeran’ny hetsika manintona mpizahatany betsaka indrindra eto Madagasikara. Mbola manamafy izany rahateo ny nambaran’ny Filohampirenena nandritra ny fanatrehany ny festival tamin’ny taon-dasa izay maneho fa natao hampiroboroboana ny fizahantany any Sainte Marie amin’ny alalan’ny fijerevana ireo trozona io hetsika io saingy Madagasikara iray manontolo no voasongadina ao anatin’izany.
Ankoatra ny fidinana eny an-dranomasina, mampiavaka ny “festival des baleines” hatramin’izay ny fanatanterahana ranty sy diabe mamakivaky tanana. Efa mahazatra loatra ireo mpizahatany anefa ny fanaovana izany ka tapa-kevitra ny hitondra fanatsarana amin’ireo hetsika tanterahina mandritra ireo sivy andro ireo ny mpikarakara. Tsara ny manamarika fa nampifandraisina amin’ny tontolon’ny haify malagasy na ny nahandro mampiavaka an’i Madagasikara ny lohahevitry ny festival amin’ity taona ity. Noho izany dia isan’ny zava-baovao entina amin’io andiany manaraka io ny fanatanterahana hetsika an-dapihazo isan’andro maka endrika fifaninanana ka handray anjara amin’ny fampihainana izany ireo mponina any an-toerana. Halebiazina ihany koa ny “village du festival” ka any amin’ny renivohitr’i Sainte Marie no hametrahana azy. Any avokoa no hiseho ireo hetsika sy fanentanana marolafy misandrahaka amin’ny lafiny ara-kolontsaina, mozika, ary fanabeazana. Mifandraika amin’ny lohahevitra dia any amin’io “village du festival” io no hanasongadinana ireo vokatra ara-tsakafo voakirakiran’ireo mpamokatra eny ifotony. Ohatra amin’izany ny hanitra maro samihafa, sôkôla, fromazy, divay, mofo, sy ny maro hafa. Mbola ao amin’io toerana io ihany koa no hisy ny “boutique du festival” izay ahitana toeram-pisakafoana, mpanao asa tanana haneho ny talentany, ary toerana afaka hanjifana vokatra fahatsiarovana ny hetsika. Fehiny, hiavaka ny fanatanterahana ny “festival des baleines” amin’ity taona ity. Izany no natao dia mba hitondrana fomba fijery vaovao sy hisintonana hatrany ireo mpizahatany ho avy eto Madagasikara.
Sarobidy Sidonie.




