Songadim-baovaoSosialy
FETIN’NY ASARAMANITRA: Tsy nanadino ny zokiolona sy ny ankizy ny Fikambanana Fitia
Nitondra anjara biriky ho fanampiana ireo zokiolona sy ankizy teto an-drenivohitra ny Fikambanana Fitia, noho ny fetin’ny asaramanitra sy ny fahatongavan’ny vanim-potoan’ny ririnina, eo koa ny fisokajiana azy ireo ho marefo eo anatrehan’ny valanaretina Covid-19. Ny Alakamisy sy Zoma teo no nanatanterahana ny hetsika.
Zokiolona avy amin’ny Akany 3 eto an-drenivohitra no notoloran’ny Fikambanana Fitia fanampiana noho ny fahatongavan’ny Asaramanitra. Ireo zokiolona ireo ihany koa, izay sokajiana ho marefo anatin’izao vanim-potoan’ny valanaretina izao ka mila tohana sy tolotanana. Izany indrindra no anton’ny hetsika sosialy nataon’ny Fikambanana Fitia ny alakamisy 24 jona teo. Nandritra izany no niarahaban’ny Fikambanana Fitia ireo Zokiolona ireo nahavita niatrika ny valanaretina nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’izao. Nisy koa ny firariantsoa azy ireo ihany koa noho ny Asaramanitra. Araka ny fanazavan-dRamatoa Gentiane Andrianisa avy amin’ny Fikambanana Fitia, dia Ray aman-dreny manana ny zo hiaina am-pilaminana ny zokiolona. “Amin’izao ankatoky ny Asaramanitra izao sy ho valibabena ary porofo-pitiavana ho azy ireo dia tonga nisolo tena ny Filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina ireo mpikambana nitondra fanampiana, nahitana bodofotsy matevina sy vatsy ho an’ireo zokiolona ireo hiatrehan’izy ireo ny ririnina sy ny fetim-pirenena”, hoy ny fanazavana. Ny Foyer de vie Ambohimanambola, ny Centre Karibo Tsimbazaza, ary ny Fiainam-baovao izay tantanan-dry Frera, no toerana notsidihin’ny Fikambanana Fitia tamin’izao hetsika sosialy izao.
Nahazo ny anjarany koa ny ankizy
Tetsy ankilan’izay, asaramanitra hafa kely no niarahan’ny Fikambanana Fitia tamin’ireo ankizy izay taizaina ao amin’ny Akany Solofo Amboanjobe, Centre Betanie Soeurs Providence de Rieu sur Loir ao Ankasina ary ny Centre des Sœurs ao Tsaramasay nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nifampizarana hafaliana, fiaraha-misakafo, ary notolorana kojakoja entiny miatrika ny hatsiaka amin’izao ririnina izao ihany koa no hetsika. Nisy koa ny fizarana arendrina, vatomamy sy biscuits (friandises) bodofotsy (plaid) ary sakafo ho an’ireo ankizy. Tsy diso anjara ihany koa anefa ny Akany fa nahazo fanampiana toy ny vary sy menaka entina hanomezana sakafo ireo ankizy beazin’ny Akany tsirairay avy.




