Songadim-baovaoSosialy

FETIN’NY FARAN’NY TAONA SY TAOM-BAOVAO: Olona 07 maty, betsaka ny lehilahy namono tena sy mamo tsy nahatsiaro tena

Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha mikasika ny akon’ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo, dia nisy ny namoy ny ainy. Ny tena nanamarika ny antontanisa voaray, dia ny fahamaroan’ireo mamo tampona tsy mahatsiaro tena sy ny fanaovana famonoan-tena…

Niakatra ny antontanisa azo teo anivon’ny hopitaly HJRA raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, teo amin’ny isan’ireo olona noraisina an-tanana nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao lasa teo. Nisy ny maty teo anivon’ny hopitaly taorian’ny ala nenina nataon’ny mpitsabo, izay miisa 04, raha nisy 03 maty ivelan’ny hopitaly. Ny ankamaroan’ireo marary niditra teo anivon’ny sampan-draharaha Fameloman’aina HJRA, ny andron’ny faran’ny taona 31 desambra 2024 sy ny 01 janoary 2025 dia vokatry ny fimamoana tafahoatra niteraka tsy fahatsiarovan-tena (coma éthylique ) izay miisa 07. Ny iray tamin’izy ireo dia vehivavy. Teo koa ny fanaovana famonoan-tena miisa 06, ka ny efatra tamin’izany lehilahy avokoa. Olona 21 no noraisin-tanana tao amin’ity sampan-draharaha Fameloman’aina ity ka ny 02 naiditra hopitaly, ny faran’ny taona teo, raha 22 ny voalohan’ny taona 2025 ka 09 naiditra hopitaly. Roa vavy sy lehilahy iray tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritra ireo roa andro.

Ho an’ny tao amin’ny sampana Vonjy taitra, dia miisa 229 ireo olona tonga nanao fizahana na noraisin-tanana vonjimaika ny andron’ny 31 desambra 2024 sy ny 01 Janoary 2025 teo, ka ny 22 tamin’izany no tsy maintsy naiditra hopitaly. Raha ny loza niteraka fahavoazana dia miisa 44 ny 31 desambra, raha 68 ny 01 janoary 2025. Ny lozam-pifamoivoizana andalam-be dia mitotaly 10 ny faran’ny taona, raha 24 ny voalohan’ny taona. Nisy 09 ny loza an-tokantrano ny 31 desambra, raha 23 ny 01 janoary. Nomarihan’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity hopitaly lehibe ity, Manoel Eric, fa nihena ny isan’ny olona naiditra hopitaly tamin’ity, raha mihoatra ny tamin’ny taon-dasa, saingy niakatra ny noraisina an-tanana vonjimaika.

Lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona

Ny marain’ny 01 janoary 2025 teo dia nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Mandrimena, ka olona miisa 04 no naratra mafy tamin’izany. Ny 03 mbola misitraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA hatramin’ny omaly, raha namoy ny ainy ny iray. Ho an’ny andron’ny omaly 02 janoary, maraina, dia lozam-pifamoivoizana iray hafa koa no niseho teny amin’ny “station Galana” Tsaralalana. Olona miisa 05 no voalaza fa naratra tamin’izany, ary nalefa notsaboina teny amin’ny hopitaly HJRA. Fiaran’ny Mpamonjy voina ity voalaza fa namoa-doza ity, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera HJRA io hatrany.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer