Songadim-baovaoSosialy
FETIN’NY NOELY 2022: Nilamina ny fankalazana tamin’ny ankapobeny
Tamim-pilaminana tanteraka no nanamarihan’ny teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny Faritra maro ny fetin’ny Noely 2022 tamin’ny ankapobeny. Samy nanana endrika nanehoany azy avy ny isan-tokantrano. Tsy vitsy kosa ireo nisafidy ny handehandeha sy haka sary eny amin’ireo jiro maroloko napetraka etsy Antaninarenina.
Saika feno hipoka avokoa ireo fiangonana kristianina mankalaza ny fetin’ny Krismasy omaly alahady 25 Desambra 2022. Fotoam-pivavahana izay efa nialohavan’ny sasak’alin’ny Noely, ny 24 desambra ho an’ny fiangonana sasany. Amin’ny maha fety ny andro, saika nanomana sakafo niavaka ny ankamaroan’ny isan-tokatrano. Tetsy ankilany, tsy vitsy ireo nisafidy ny handehandeha naka sary teny amin’ireo jiro maroloko napetraka amin’ny manodidina an’Antaninarenina. Tamin’ny ankapobeny, nilamina ny fankalazana ny noely tamin’ity taona ity. Tsiahivina fa raha ho an’ny polism-pirenena manokana dia tafakatra 3 000 ireo nahetsika hiasa hiantoka ny fampandriana fahalemana eto an-drenivohitra fotsiny, mandritra ny fety.
Andry Rajoelina sy ny ankohonany tetsy amin’ny Akamasoa
Toy ny isan-taona dia nankalaza ny fetin’ny Noely teny amin’ny Centre Akamasoa niaraka tamin’ny vady aman-janany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 25 desambra 2022. Niombo-po sy niombom-bavaka tamin’ireo fianakaviana taizan’i Père Pedro eny Andralanitra ny tenany. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra izany fotoana izany fa mamoaka ankizy tsara fototra ity ivon-toerana sahanin’i Père Pédro ity noho ny fitaizana ara-tsaina sy ara-panahy voarain’izy ireo. Taranaka toy izany hoy ny Filoha no andrandraina hanandratra an’i Madagasikara.
Nankasitrahan’ny Filoha manokana ny ezaka nataon’i Père Pédro ho an’ireto zanaka Malagasy ireto ka nahatonga ny Fitondram-panjakana tarihany nanolotra tany vita titra sy kadasitra maromaro noho ny fahasahiranana matetika sedrain’izy ireo amin’ny resaka fananan-tany.
Taorian’ny sorona masina dia tsy nohadinoin’ny Filoham-pirenena sy ny ankohonany ny nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy maro be tezaina eny amin’ny Akamasoa miisa 7000 izay ahitana fitaovam-pianarana, akanjo sy kiraro ary kilalao izay vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa Samaritan’s Purse. Tsy nohadinoin’ny Filoham-pirenena koa ny nirary fety sambatra hoan’ny vahoaka Malagasy rehetra.




