PolitikaSongadim-baovao
FETIN’NY PAKA SY FIHAONANA AN-TAMPONY “COI”: Haidina an-kianja avokoa ireo Polisy amina sampan-draharaha samihafa
Hezahina alamina tsy hisy mipika ny filaminana mandritra ny fetin’ny Paka, mitohy amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony COI sy ny fandraisana Filoham-pirenena vahiny, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena. Hentitra ny Polisimpirenena miara-miasa amin’ireo vondron-kery hafa mandritra ireo fotoan-dehibe roa ireo, hoy ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena…
Hahetsika avokoa ireo Polisimpirenena amina sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paka sy ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Vondron’ny Ranomasimbe Indiana andiany faha-05 (COI) horaisin’i Madagasikara. Io no fantatra nandritra ny fampahafantarana nataon’ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius, omaly, teny amin’ny Minisitera, amin’izao an-katoky ny fety Kristianina sy ny fandraisantsika ny COI izao. Tanjona mandritra ny fetin’ny Paka io ny hahafahan’ny malagasy tsy an-kanavaka mihanoka ny fety kristianina am-pilaminana tanteraka. Hohamafisina araka izany, ny fiarovana ireo toerana mafana sy mety hahavory olona toy ny tsena sy toeram-pilanonana, toeram-pitsangatsanganana, ary ireo toerana saro-pady rehetra. Hanao tohivakana ary hamafisina ny fisafoana ataon’ireo Polisy sy mpitandro filaminana amina vondron-kery hafa, na alina na antoandro, fa indrindra amin’ireo toerana heverina ho marefo amin’ny fandriam-pahalemana. Amin’ny maha fety kristianina azy, dia hampitomboina ny isan’ny Polisy eny amin’ireo toeram-pivavahana mivoaka ny lalana hodian’ireo mpivavaka amin’ny fotoam-piravana, mba ho fanakaikezan’ny Polisy ny vahoaka. Hamafisina torak’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanome angom-baovao mba hahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’ny jiolahy, ary hapetraka ny paikady mahomby eo amin’ny lafiny fifamoivoizana mba hisorohana ny fitohanana be eto an-dRenivohitra, fa indrindra ny Alatsinain’ny Paka izay andro fitsangatsanganana.
Raha ny fandraisana ny fihaonana an-tampony COI indray kosa, dia fantatra, fa efa maro ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny enti-mampandry fahalemana hiantohana ny filaminana, ary nandraisan’anjaran’ny Polisim-pirenena, niarahany tamin’ny andrim-panjakana sy departemanta maro isan-karazany, fa indrindra ireo vondron-kery hafa. Manomboka eny amin’ny seranam-piaramanidina hahatongavan’ireo vahiny ny fitandroana filaminana ary mifarana amin’ny fiverenan’izy eny amin’ny seranam-piaramanidina ihany. Misy araka izany, fepetra noraisin’ny Polisimpirenena mikasika ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny lalan’ireo vahiny manan-kaja, eny amin’ny toeram-pivoriana ary ny toerana fandraisana ny fihaonana an-tampony. Ankoatra ny ezaka tanterahin’ny mpitandro filaminana, dia manentana ny fampitam-baovao marina sy maika avy amin’ny olom-pirenena ho an’ny Mpitandro filaminana ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, vantany vao mahita tranga mampiahiahy amin’ireo fotoan-dehibe roa. Notsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, fa “voninahi-pirenena sy reharehan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandraisantsika ny fivoriana an-tampony COI io”. Ny Polisimpirenena moa dia miara-mientana amin’ireo departemanta samihafa sy mpitandro filaminana avy amina vondron-kery hafa mandritr’io fihaonana an-tampony sy fitsidihana Filoham-pirenena vahiny eto io.
Stan R.




