SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FETIN’NY PANTEKOSTA: nitrangana lozam-pifamoivoizana miisa 11, vokatry ny hamamoana ny 04

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny nankalazan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra ny fetin’ny Pantekosta. Mateti-pitranga rehefa fety toy ireny anefa ny lozam-pifamoivoizana ka miisa 11 no voarakitry ny teo anivon’ny Polisim-pirenena raha ny tatitra voaray omaly. Ny 04 tamin’izany no vokatry ny hamamoana avokoa, 04 manaraka loza naharatrana olona, 02 hafa loza nahasimbana fananana, ary ny iray farany nitrangana fitsoahan’ny mpamily. Tsy nisy kosa ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona.

Amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fetin’ny Pantekosta, ho an’ny teto an-dRenivohitra. Ankoatra ny tsy fandriam-pahalemana madinidinika sy ny fahatrarana zava-mahadomelina mahazatra, dia lozam-pifamoivoizana miisa 11 no niseho teto an-dRenivohitra nandritra ny roa andro nankalazana ny fetin’ny Pantekosta teo. Ny 04 tamin’izany vokatry ny hamamoana avokoa, 04 manaraka loza naharatrana olona, 02 hafa loza nahasimbana fananana, ary ny iray farany nitrangana fitsoahan’ny mpamily. Tsy nisy ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tamin’iny fety teo iny, noho ny ezaka niarahan’ny rehetra. Tamin’ny ankapobeny mantsy dia voasoroka avokoa ny ankamaroan’ireo tranga mety nitera-doza, anisan’izany ny fiatrehana ny mpifamezivezy amin’ny fiara teny rehetra teny, indrindra ny miditra ny Renivohitra izay nohamafisina tamin’ny fampitandremana sy fanomezana toromarika ny mpamily. Mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena miisa 2 500 no indray nahetsika teto Analamanga, raha mitotaly 7 389 nanerana ny Nosy. Paikady napetraka tao anatin’izany, ny fampitomboana ny fisafoana ataon’ny Polisy mpandeha fiara sy “moto”, ary an-tongotra, dia teo koa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana nametrahana Polisy tamin’ireo toerana ivorian’ny maro toy ny toeram-pivavahana sy filanonana, ary maro mpitsangatsangana.

Saika nahetsika nahidina an-kianja avokoa, araka izany, ireo Polisy avy amina sampan-draharaha samihafa eo anivon’ity vondron-kery iray ity. Toy ny avy amin’ireo Kaomisarian’ny boriborintany eto an-dRenivohitra, ny “Compagnie Urbaine d’Intervention” (CUI), ny “Unité d’Intervention Rapide” (UIR), ny « Force d’Intervention de la Police” (FIP), ny “Service Anti-Gang” (SAG), ary ny “Unité Spécial d’Intervention” (USI). Tsy latsa-danjan’izany ireo Polisy misahana ny fandaminana sy fandrindrana fifamoivoizana eo anivo’ny “Compagnie Urbaine de la Circulation”. Tanjona tao anatin’izany moa ny fisorohana ny asa ratsy, ary mba hiantohana ny fankalazana ny fety anaty filaminana ho an’ny rehetra. Tsy mijanona teo akory ny fampandriana fahalemana sy ny fanetsehana an-kianja ireo Polisy, fa mitohy hatrany, indrindra anatin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao, raha ny nomarihan’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police, Rakotozanany Dany Marius.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer