Songadim-baovaoSosialy

FETIN’NY PASKA : Nilamina tamin’ny ankapobeny, tranga vitsivitsy voarain’ny Polisim-pirenena

Amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fiatrehan’ny vahoaka teto an-dRenivohitra ny fetin’ny Paka, nandritra ireo roa andro nankalazana izany. Raha ny lafiny fandriam-pahalemana izay niantsorohan’ny Polisim-pirenena sy niarahany tamin’ireo vondron-kery manokana teto Antananarivo Renivohitra, dia nahitam-bokany izany, fa indrindra ny Alahady 20 aprily 2025, izay naharaisana tatitra avy amin’ny Polisim-pirenena, hatreto. Nisy ny trangana halatra tsotra sy halatra bevava. Ankoatr’izay ny tranga fanolanana. Ankoatr’ireo ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona miisa 02 niseho teto an-dRenivohitra, raha ny tatitra voaray. Raha ny amin’ireo trangana halatra, dia iray tamin’ireo teny Andrononobe, halatra fiara niseho ny alahady tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Tratra ambodiomby ny tompon’antoka tamin’izany ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa, ny Polisy ka nahasambotra azy sy nitondra azy teny amin’ny birao nanaovana fanadihadiana. Monina eny Ambohitrarahaba ity farany. Nametrahan’ny tompona fiara fitoriana avy hatrany. Trangana fanolanana iray niseho tao Antohomadinika, ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 04 ora. Tonga nampilaza ny Polisy ny olon’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana iray ao amin’ny fokontany Antohomadinika, fa zazavavy 10 taona no niharan’ny fanolanana. Rehefa nidinan’ny Polisy haingana izany dia tratra ilay lehilahy, ary nosamborina avy hatrany. Monina eny Antsahalovana ity farany, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, saingy nentin’ny Polisy haingana, ary nalefa eny amin’ny PMPM Tsaralalana. Tranga halatra bevava iray koa voarain’ny Polisim-pirenena teny amin’ny “rond point” manakaiky ny tobin-tsolika Ankorondrano, ny sabotsy alina, tamin’ny 11 ora. Lehilahy iray no tratra ambodiomby nangalatra tahon-tsaina tamin’izany, nentin’ny Polisin’ny CUI teny amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalana nanaovana fanadihadiana. Raha hiverenana, dia nanomboka ny herinandro masina dia efa an-kianja avokoa ny Polisim-pirenena isaky ny sampan-draharaha misy ao aminy. Nisy ireo nitandro filaminana teny amin’ireo toeram-pivavahana samihafa, ny nandrindra fifamoivoizana, ary niaro ny fahalemana an-dalambe sy anelakelan-trano samihafa. Andrasana ny antontanisa mazava avy amin’ny Polisim-pirenena.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer