PolitikaSongadim-baovao
FFKM : Tsy tokony hitondra ny firenena hivoaka ny Lalàmpanorenana
Nandray ireo Kandidà Filoham-pirenena amin’ny fifidianana hotanterahina eto amin’ny firenena ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) omaly. Nanomboka tamin’ny 05ora hariva ny fihaonana, ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 8ora alina. Izany hoe, naharitra adin’ny telo. Marihina fa tsy azon’ny mpanao gazety natrehina ny fihaonana. Tsikaritra ho tonga teny an-toerana daholo kosa ireo Kandidà ho filoham-pirenena miisa 12, raha toa ka andriamatoa Augustin Andriamananoro no nisolo tena ny Kandida Andry Rajoelina. Araka ny fantatra anefa dia voatery nivoaka ny efitrano ity solontenan’ny kandida Rajoelina ity noho ny fandaminana izay napetraka, ka ireo izay tena kandida ihany no nivory tao anatiny. Taorian’ny fihaonana nikato-trano dia tsy nisy fanambarana nataon’ireo kandida, raha toa ka tafa fohy tamin’ny mpanao gazety fotsiny no nataon’ny Filohan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, ny Pasitora Irako Ammi Andriamahazosoa, izay nilaza fa vonona ny rehetra hifampidinika hitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena. Fihaonana izay nambarany fa mbola hitohy.
Eo anatrehan’ity fampihaonana tanterahin’ny FFKM ity, nitondra ny fanehoankeviny ny Solombavahoaka sady mpanao gazety Fetra Rakotondrasoa, omaly tao anatin’ny fandaharana “Tambatra”. Nambarany fa misy ny lanjany eto amin’ny firenena izany FFKM izany amin’ny maha manam-pahefana ara-moraly azy ireo. Manamarina izany rahateo ny tantaran’ny firenena izay nidiran’ny FFKM an-tsehatra ny famahana olana. Isan’izany ny tamin’ny 1991, izay namahana ny disadisa nisy teo amin’ny herivelona notarihin’ny Pr Zafy Albert, Manandafy Rakotonirina, ny Pasteur Randriamanjato Richard, izay nifanolana tamin‘i Didier Ratsiraka. Nitaky ny hampiharana ny demokrasia ny vahoaka tamin’izany, ary nisy fitokonana ambolana maro. Nikatso ny fiainam-pirenena, ary niala tao anatin’ny lalàmpanorenana. Ka voatery nitady manampahefana ara-moraly afaka hiresaka amin’ny andaniny sy ankilany. Ary niditra an-tsehatra ny FFKM tamin’izany. Toy izany koa ny taty amn’ny taona 2009. Rehefa nametra-pialana i Marc Ravalomanana, dia nomeny ny Miaramila ny fahefana, izay nivoaka ny lalàmpanorenana.
Ankehitriny, mampiantso ny kandidà ny FFKM. Zony izany, ary adidiny mihitsy aza no miteny raha misy tokony hotenenina, hoy i Fetra Rakotondrasoa. “Ny zavatra tsy azo inoana raha ohatra ka ny FFKM no andrisika ireo kandida handeha amina lalana izay ivelan’ny lalàmpanorenana. Ny zava-misy hatramin’izay mantsy ny FFKM no antsoina hamerina ny firenena ao anaty lalàmpanorenana”, araka io fanehoan-kevitra io.




