Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIADIAN-TOERANA AMIN’NY « COUPE DU MONDE 2022» : Resin’ny Béninois ny Malagasy, voatsikera mafy ny mpanazatra

Niondrika tamin’ny isa 1 noho tsy misy teo anoloan’ny Beninois ny Ekipam-pirenena malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly , tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Lalao iraisampirenena voalohany natao teo amin’ity Kianja ity io nahitantsika faharesena io. Samy manana ny nambarany, noho izany, ny rehetra. Fa saika niombonan’ny fanehoan-kevitra kosa ny fanakianana ny fomba nametrahan’ny mpanazatra ny paikady hiatrehana ny lalao.

I Bénin no mitarika vonjimaika hatreto ao amin’ny vondrona J misy antsika ao anatin’ny fiadian-toerana amin’ny Amboara eran-tany 2022. Samy manana isa iray kosa ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy i Tanzanie, ary any amin’ny faran’ny lisitra no misy antsika taorian’ny faharesena teo anoloan’ny Béninois. Samy tsy nisy nanam-po ity faharesen’ny Barean’i Madagasikara ity ny mpankafy kitra rehetra omaly. Raha toa tokoa mantsy ka fandresena no nandrandraina tamin’ny lalao, izay sady lalao iraisampirenena voalohany noraisin’ny Kianja taorian’ny fahavitany, dia faharesena avy hatrany no nitsena. Teo amin’ny minitra faha 22 no nahatafidiran’ilay Béninois, Steve Mouné, ny baolina tokana ho azy ireo, izay nitondra ny Ekipany ho amin’ny fandresena.

Diso paikady ?

Mazava ho azy, nirehitra ny fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra rehetra taorian’iny lalao omaly iny, na teny an-kianja izany, na tamin’ny fahitalavitra, indrindra tamin’ny tambajotra sosialy Facebook. Fanehoan-kevitra izay niompana betsaka tamin’ny fanakianana ny paikady napetraky ny mpanazatra Eric Rabesandratana ho an’ny Ekipam-pirenena. « Tsy mipetraka ilay formation 4-4-2, tsy nanana endri-dalao mihitsy isika, tsy mendrika handeha mondiale isika raha ireny endri-dalao ireny, tena tsy tafapetraka ny paikady nataon’ny mpanazatra », ampahany tamin’ireo fanehoan-kevitra nataon’ny mpankafy kitra ireo. Izany hoe, na mivantana na ankolaka dia te hilaza ireo fa tomponandraikitra feno tamin’ireny faharesena ireny ny mpanazatra. Isan’ny tena nampametra-panontaniana ny maro ny hoe, fa maninona no efa akaiky hifarana ny lalao vao nampidirina i Carolus ? Kanefa ny rehetra dia nahita sy nahamarika tsara ny rehetra fa ny fampidirana an’i Carolus tao anatin’ny lalao no nahitan’ny Barea fanafihana mba nipetrapetraka tokoa, sady nahitana « occasion », porofon’izany ny « tir cadré » iray mba azontsika.

Ny tsara ho fantatra dia samy niandry fatratra izay hoentin’ny mpanazatra Eric Rabesandratra ny rehetra tamin’iny lalao voalohany niarahana taminy iny. Raha tsiahivina, isan’ny nanesoran’ny teo anivon’ny Federasiona ny Mpanazatra teo aloha Nicolas Dupuis ny tsy nahazoany vokatra tamin’ny fifanintsanana handehana tany amin’ny CAN. Andrasana indray koa izany izay hoentin’ity mpanazatra vaovao ity. Marihina fa amin’ny talata 07 Septambra 2021 izao no hihazo an’i Tanzanie ny Ekipam-pirenena malagasy, hifandona indray amin’ny Ekipam-pirenena Tanzanianina.

Ny Fanoratana.

 

Fermer