PolitikaSongadim-baovao

FIADIDIANA NY FARITRA ANALAMANGA : Mifototra amin’ny fanaovana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka

Herintaona katroka tamin’ny 25 Septambra teo no nanendrena ny andiany voalohany tamin’ireo Governora tamin’ny Faritra maromaro teto Madagasikara. Isan’ireny ny Governoran’ny Faritra Analamanga, niaraka tamin’ireo ekipa rehetra miaraka aminy mandraka ankehitriny. Hatreto, mifototra amin’ny fanaovana ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy tena ilain’ny mponina eny ifotony no asa ataon’ny Faritra Analamanga.

Isany fiovana goavana nentin’ny Filoha tamin’ny fitantanana ny firenena ny nanovana ny lehiben’ny Faritra teo aloha ho lasa Governora. Tsy ny fiantsoana fotsiny ihany anefa no niova, fa ny fahefana sy ny fahafaha-manao zavatra sy mandray fanapahankevitra mihitsy. Izany hoe, hanana fahefana kokoa ireo Governoram-paritra amin’izao fotoana izao. Ny Filoha Andry Rajoelina rahateo efa namerimberina izany hatrany, fony izy nametraka tamin’ny fomba ofisialy ireo Governora tany amin’ny Faritra samihafa. Izy ireny, hoy ny Filoha, no mahalala kokoa izay fampandrosoana mifanaraka amin’ny filan’ny faritra hiadidiany, ka rariny raha homena fahefana amin’ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny Faritra hiandraiketany izy ireo. Ho an’ny Faritra Analamanga manokana, izay eo ambany fiadidian’ny Governora Hery Rasoamaromaka, ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ny tena ilain’ny mponina no ifotorana. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana tsena sy ny fanamboaran-dalàna izay hita amin’ny Kaominina maro manerana ny Faritra Analamanga.

Nisy ny fidinana ifotony natao omaly.

Vitaina alohan’ny fahavaratra

Tsiahivina fa efa nisy tetibola manokana natokan’ny Fanjakana foibe ho an’ny Faritra tsirairay eto Madagasikara, entina hanatanterahana marina ny asa fampandrosoana. Nanomboka ny talata teo, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny fiadidiana ny Faritra Analamanga tamin’ny toerana maro teto Antananarivo, nijerena sy nanarahamaso ireo tetikasa efa natomboka, indrindra ny fanamboaran-dalàna. Amin’izao fotoana izao, efa ny vita fanaovana rarivato ireo ampahan-dalana tena nitondra fahasahiranana ny vahoaka tao amin’ny Kaominina Masindray, Kaominina Ambohimanambola, Kaominina Ambohimangakely. Izy ireo izay samy tafiditra ao amin’ny Distrikan’Avaradrano avokoa. Ho an’ny omaly, teny amin’ny Kaominina Behenjy sy ny Kaominina Ambohidrapeto no nanatanterahan’ny ekipan’ny Faritra Analamanga fitsidihana. Ireto farany izay samy nanaovana tetikasa fanamboaran-dalana rarivato avokoa. Nanambara ny teknisianina mpanamboatra ny lalana fa nitohy foana ny asa fanamboarana na teo aza ny Hamehana. Tanjona ny mba hahavitan’ny lalana mialohan’ny vanim-potoan’ny fahavaratra, mba hanalana ny fahasahiranan’ny mponina. “Tsy maintsy misy ny fifampiresahana amin’ireo mpitondra eny ifotony, indrindra ireo mpahazo tombotsoa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Atao laharam-pahamehana kosa ireo lalana tena mampijaly ny mponina…” hoy ny sekretera jeneralin’ny governoran’Analamanga, Ravomanana Vincent. Nohamafisiny fa ankoatran’ny politikam-pananganana dia anisany lalantsaina hapetraky ny ekipa ankehitriny ny politikam-pikoloana. Antony hanatanterahana ireny karazana fidinana ifotony ireny. Tsara ho fantatra fa mbola hitohy amin’ny toerana maro ato anatin’ny Faritra Analamanga ny fidinana ifotony ataon’ireo ekipa ireo.

Fermer