PolitikaSongadim-baovao
FIADIDIANA NY REPOBLIKA: Nosoloina ny Talen’ny Kabinetra sy ny Talen’ny Serasera
Vaovao lehibe nisongadina tamin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra nivoaka omaly ny nanoloana ny Talen’ny Kabinetra sy ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Araka ny tatitra, “Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1870 tamin’ny 25 septambra 2019 izay nanendry ny Talen’ny Kabinetra ny Fiadidiana ny Repoblika. Notendrena ho Talen’ny Kabinetra ny Repoblika, Ramatoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina”, araka ny tatitra. Ramatoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina izay, raha tsiahivina, dia nisahana ny andraikitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy teo aloha. Nesorina tamin’izay toerany izay ny tenany, tamin’ny fanovana Governemanta farany teo. Tetsy ankilany, nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2021-605 tamin’ny 02 jona 2021 izay nanendry ny Talen’ny Serasera ny Fiadidiana ny Repoblika. Notendrena ho Mpitondra Tenin’ny Filohan’ny Repoblika sady Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, araka izany, Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro. Ity farany indray dia efa nisahana ny andraikitry ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika ihany teo aloha, nialoha izao andraikitra vaovao nosahaniny izao.
Fananganana fotodrafitrasa
Araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra nivoaka omaly, nankatoavina ny fangatahana famatsiambola fanampiny hanaovana ny asa fanamboarana ny « Campus universitaire » an’Androy (Nouveaux projets émergents), izay eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Ireo tetikasa ireo dia tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny Velirano ny Filoham-pirenena. Ho an’ity taona 2022 ity, ankoatran’ny faritra Alaotra mangoro, Sofia, Vatovavy dia hametrahana « Campus Universitaire » any amin’ny Faritra Androy (Ambovombe-Androy).
Ankoatra izay, nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny fampitam-baovao mikasika ny fampiasana ny PIP eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa ho an’ny taona 2022. Araka ny fanazavana, ity Minisitera ity dia manana tanjona ny hanangana « Centres de formation professionnelle » sangany ary tsy misy fiangarana eraky ny faritry ny Nosy, ary ihany koa mampifandraiky ny fanofanana amin’ny filàna misy, sy ny asan-tanana eo amin’ny sehatra maro ilain’ireo faritra izay samy manana ny mampiavaka azy. Ny ampahany amin’izany tetibola izany dia ho ampiasaina amin’ny fampitaovana sy fampandehanana ireo ivom-pampiofanana miisa 05 zay efa voatsangana tamin’ny taona 2020 mba ahafahan’ny mponina amin’ireo faritra 05 ireo misitraka izany ao anty ny fotoana fohy.




