
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FIAINAM-PIRENENA- GOVERNEMANTA VAOVAO : Miandrandra asa azo tsapain-tanana ny olom-pirenena
Manaraka akaiky ny zava-misy eto amin’ny firenena ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Mahakasika ny fanendrena mpikambana ao amin’ny Governemanta farany teo dia fanehoan-kevitra iraisan’ny ankamaroan’izy ireo ny hoe miandrandra asa azo tsapain-tanana avy amin’ireo olom-boatendry ireo ny vahoaka ka hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’izy ireo ny vokatry ny paikadim-pampandrosoana hampiharina.
Manana ny fijeriny mahakasika ireo olona notendren’ny Filoha Andry Rajoelina handrafitra ny Governemanta vaovao Ntsay Christian ny olom-pirenena, taorian’ny fampahafantarana ampahibemaso natao tamin’ny takarivan’ny alahady lasa teo. Tsapa fa nanaraka akaiky ny zava-misy eto amin’ny firenena ny ankamaroan’ny olom-pirenena. «Tsy midika ho fitiavana politika akory ny fanarahana akaiky fanendrena Minisitra toy ireny fa ahafahana ihany koa mandray fepetra sy mampifanaraka ny vinan’asanao amin’ny paikady haroson’ireo Minisitra sy ny Fitondram-panjakana», hoy ny fanazavana noentin’i Armand, mpandraharaha amin’ny sehatry ny varotra. Nandritra ny tafa nifanaovanay tamin’ny olom-pirenena vitsivitsy, fanehoan-kevitra niraisan’izy ireo ny hoe miandrandra asa sy vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ireo olona voatendry ho Minisitra ka hisy fiantraikany mivantana amin’ny andavanandrom-piainan’izy ireo izany asa izany.
Ny famahana ny olana ara-tsosialy irery ihany no azo hitarafana ny fahaiza-manaon’ireo Minisitra vaovao ireo, hoy i Safidy, tanora iray tafaresaka taminay. Izany hoe famahana haingana ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano fisotro madio, ny fametrahana filaminana, ny fijerevana ny lafiny ara-tsosialy amin’ny ankapobeny, indrindra ny fampanan’asa ny tanora toa azy. Ny fanaovana laharam-pahamehana ireo teboka ireo no ahafahana mampivoatra sy mitondra filaminana amin’izao fanombohan’ny tana vaovao izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Ankilany, tsy nandalo fotsiny teo imason’ireo mpanara-baovao ny fampahafantarana ny mombamomba ireo Minisitra niantefan’ny Safidin’ny Filoha. Teknisianina manana ny mari-pahaizana sy miavaka amin’ny sehatra misy azy avokoa ireo Minisitra ireo hoy i Solo, raim-pianakaviana. Saika nandranto fianarana tany ivelany avokoa ny ankamaroan’izy rehetra. Noho izany indrindra, nohazavainy fa matihanina eo amin’ny toerana nametrahana azy ireo Minisitra ireo ka ny asa izay hiandraiketany dia mba hisy any amin’ny fiainan’ny vahoaka. Ankoatra io, noderain’ity raim-pianakaviana ity ihany koa ny fepetra fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana Fanjakana tsara tantana izay noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina. «Tsy afaka mandroso isika raha tsy foana aloha ny kolikoly sy ny kitranoantrano ka raisina ho zava-dehibe io fepetra io ary isaorana ny Filoha ny fahatsapana izany», hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIASAM-PANJAKANA, FAMOAHANA TARATASY, FIAHIANA ARA-TSOSIALY NY MPIASA
Hisandrahaka amin’ny sehatra marolafy ny fanatsarana eo anivon’ny Minisitera’ny Asa (MTEFPLS)
Minisitra miisa enina no nahavita ny fifamindram-pahefany omaly alatsinainy taorian’ny fanendren’ny Filoha Andry Rajoelina ireo izay handrafitra indray ny Governemanta vaovao tamin’ny alahady lasa teo. Isan’ireo nahatontosa izany ny Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana, ary ny Lalàna Sosialy (MTEFPLS) teo aloha Rivotiana Jean Bosco sy ny Minisitra vaovao Razakaboana Hanitra Fitiana. Marihina fa mpanara-maso ambony ny asa ary nitàna ny toerana naha tale jeneralin’ny Asa sy ny Lalàna Sosialy teo anivon’io Ministera io ihany i Ramatoa Razakaboana Hanitra Fitiavana no izao nametrahana fitokisana ka nakarina eo amin’ny toerana maha Minisitra azy izao. Midika izany fa mahalala tsara ny zava-misy ao amin’io departemanta io «ary nanam-potoana nandritra ny fotoana maro niasako tato nijerena ny tsara sy ny mety ho lesoka ao anatin’ny fitantanana ny departemanta», hoy ny nambarany.
Araka izany, nofariparitany tamin’io omaly io ny mety ho endriky ny asa laharam-pahamehana ho an’ny Ministera izay tarihiny manomboka eto. Hita ho misongadina amin’ny sehatra marolafy ny fanatsarana tiana hapetraka ao anatin’ireo paikadim-pampandrosoana. Nohazavain’ny Minisitra fa natao indrindra mifanaraka amin’ny vina napetraky ny Filohampirenena izay mifototra amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ireo paikady ireo. Noho izany, iray amin’ireo asa akaiky raisina ho laharam-pahamehana tsy maintsy hatao ny fanadiovana ireo fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana. «Ho hentitra dia hentitra tokoa ary fantatrareo tsara fa izahay mpikambana amin’ny Governemanta dia nanao ny fihanihanana mba hanajana ny lalàna velona sy tsy hanao kolikoly…» hoy hatrany ny Minisitra.
Ankoatra io, isan’ireo paikady hapetraka ihany koa ny fanafainganana ny famoahana taratasy eny amin’ireny departemantan’ny asam-panjakana marolafy ireny. Miaraka amin’ny fametrahana fitsinjaram-pahefana amin’ny fikirakirana antontataratasy toy ny fanomezana «équivalence» amin’ny diplaoma izay mampimenomenona olona maro ny fahasarotana amin’ny fahazoana izany. Ahafahana manatratra ireo moa ny fampiroboroboana ny fampiasana ny nomerika.
Mahakasika ireo mpiasa tsy manana sy tsy misy mpampiasa (travailleur non salarié) kosa indray, fanatsarana hoentin’ny Minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho azy ireo. Tsy maintsy hatao laharam-pahamehana ihany koa izany, hoy ny Minisitra, satria betsaka ireo olona manana fidiram-bola kanefa fidiram-bola farak’izay marefo. Tsy maintsy jerena, araka izany, ny hahafahana miahy azy ireo mba hahazoany manana fari-piainana miakatra sy mivoatra.
Tsy nohadinoina ny paikady fampananan’asa, indrindra ho an’ny tanora, izay hanaovana ny ezaka fanamafisana ny politikan’ny firenena mahakasika izany. Izany hoe hampirobroboana kokoa ny fampiofanana sy ny fandraharahana ho an’ireo tanora ireo.
TONTOLO IAINANA
Hametraka laminasa hitondrana vokatra haingana sy azo tsapain-tanana
Vita omaly ihany koa ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy teo aloha Vina Marie Orléa sy ny Minisitra vaovao Max Fontaine. Nandritra io fifamindrana fanilo teo amin’ny roa tonta io no nanehoan’ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy vaovao ny fisaorana ho an’i Vina Marie Orléa noho izy nitoto nahafotsy ireo tetikasa maro nampiharina teo anivon’ny Ministera. Efa mpiara-miasa eo amin’ny sehatry tontolo iainana rahateo ihany koa moa ny roa tonta ka isan’ny fiaraha-misalahy notanterahan’izy ireo farany ny hetsika nandritra ny COP28 tany Dubaï tamin’ny desambra 2023 lasa teo. Noho izany indrindra, nampanantenana ny hanohy sy hanome lanja ireo asa efa natomboka ireo ny Minisitra Max Fontaine.
Ankilany, hentitra ity Minisitra zandriny indrindra ao amin’ny Governemanta Ntsay Christian ity raha nitodika tamin’ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Ministera sy nanazava ny lalan-tsaina heveriny fa hitondrany izany departemanta ministerialy izany. Araka izany, nasongadin’ny Minisitra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiasa rehetra satria tsy maintsy mitondra vokatra haingana sy azo tsapain-tanana izy ireo manoloana ny fanamby napetraky ny Filoha. Ankoatra io, nambaran’ny Minisitra Max Fontaine ihany koa fa ho tanterahana mba hanasoavana ny tontolo iainana sy ny vahoaka malagasy ireo laminasa izay narosony tamin’ny Filohampirenena sy ny Praiminisitra. Miara-dalana amin’ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny fiarovana sy fampiroboroboana ny tontolo iainana satria “efa samy resilahatra isika fa ny resaka tontolo iainana dia tsy resaka fambolen-kazo fotsiny ihany fa mikasika akaiky ny vahoaka malagasy. Ao anatin’ny andry fampandrosoana nopetraky ny Filoha no misy ny asa sosialy. Ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, araka izany, dia manana andraikitra lehibe ao anatin’izany asa sosialy izany”, hoy ny fanazavana.
Fanombohana ny asa ataon’ny Minisitra vaovao moa ny fijerevana ireo antontataratasy sy tetikasa rehetra efa mandeha, miaraka amin’ny tompon’andraikitra tsirairay, ka hirosoana hatrany ny famitana azy ireo. Nampanantena ny hanome ny tsara rehetra avy any aminy ny Minisitra ka mila ny fifanomezan-tanan’ny mpiasa rehetra hametrahana fampandrosoana haingana sy azo tsapain-tanana.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




