PolitikaSongadim-baovao

FIAINAM-PIRENENA : Handray fepetra amin’ireo minia manakorontana ny Mpitandro filaminana

Hiaraha-manaiky fa nisedra olana goavana ny Mponin’Antananarivo tamin’ny resaka jiro sy rano, nandritra ny herinandro vitsy. Hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity anefa dia tsapa fa efa mivaha tsikelikely ny olana, fa mihena be ny fahatapahan-jiro. Noho izay indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny Prefen’Antananarivo nanao fanambarana fampitandremana ho an’ireo izay minia mbola mitarika korontana sy manohintohina filaminana, izay miharo ambadika politika.

Nisy tamin’ireo hetsika fanoherana ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo Renivohitra no namofompofona ambadika politika, araka ny angom-baovao nataon’ny Mpitandro filaminana. Tena misy tokoa ireo vahoaka maneho fahasorenana noho ny zava-misy, saingy hararaotin’ireo mpanao politika sasany mahita tombontsoa amin’ny korontana izany mba hisian’ny savorovoro.
Mahakasika izay indrindra, eo anatrehan’ny fanakorontanana izay kasain’ny olona sasany atao amin’izao fotoana izao, dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny OMC, tarihin’ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo izay nivory omaly fa hanao « Réquisition » an’ireo mpitandro filaminana hiasa avy hatrany. Marihina fa ny endrika rehetra fanakorontana na hetsika andalambe rehetra dia tsy misy nahazo alalana hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny fanaovana toy izany dia handray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana, araka ny fanazavana.
“Manan-jo ivezivezy an-kalalahana ny mponin’Antananarivo. Handeha hody ilamina isak’ariva fa tsy ho korontanina amin’ny fandoroana kodiarana sy fanakorontanana amin’ny endriny hafa”, hoy ny Prefen’Antananarivo.
Noho izany, handray fepetra avy hatrany izy ireo manomboka izao, raha misy fanakorontanana ataon’ny sasany. Misy ireo avy amin’ny tambazotran-tserasera no manao endrika fandranitana olona hikorontana. Efa misy ny fanadihadiana misokatra amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ary handraisana fepetra izay tomponandraikitra amin’izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer