PolitikaSongadim-baovao

FIAINAM-PIRENENA: Miantso ny vahoaka malagasy ho tony ny Kandidà Andry Rajoelina

Nitondra ny fanehoan-keviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny Kandidà Andry Rajoelina omaly. Novakiany bantsilana fa fanakorontanana iniana volena no ataon’ireo Kandidà Filoham-pirenena hafa izay mitarika vahoaka midina an-dalambe ankehitriny. Niantso ny vahoaka malagasy ho tony kosa anefa izy manoloana izany. Tsiahivina fa rahampitso 10 Oktobra 2023 no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana.

Tsy nihambahamba ny Kandidà Andry Rajoelina omaly raha nilaza fa fanakorontanana iniana volena no misy eto amin’ny firenena ankehitriny amin’ny alalan’ireo Kandidà Filoham-pirenena miisa 11. Hiaraha-mahita izany, hoy izy, ary hitan’ny Malagasy rehetra. Misy mihitsy, hoy izy, ny finiavana hanasaratsaraka ny samy malagasy. Nambaran’andriamatoa Andry Rajoelina fa fanakorontanana mihitsy no tadiavin’ireo kandidà ireo fa sarontsaronana amin’ny hoe fahalalahana maneho hevitra fotsiny. Nanaporofo izany, hoy i Andry Rajoelina, ny tsy nandehanan’izy ireo tany amin’ny toerana izay efa nomena azy ireo malalaka mba hahafahan’izy ireo maneho hevitra.

Notsindrian’ny Kandidà Andry Rajoelina fa tsy manaraka ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena ireo mpanao politika ireo, amin’ny fitarihana ny olona hidina an-dalambe. Manginy fotsiny ny fandranitana vahoaka sy ireo Mpitandro filaminana. “Hatramin’izay dia mbola tsy nisy hoe Filoha efa nitondra no nitarika ny olona tsy hanara-dalàna”, hoy ny fanambaran’ny Kandidà Andry Rajoelina. Manapotika ny endrik’i Madagasikara manerana an’izao tontolo izao izany, hoy izy. Nampahafantariny fa ny demokrasia dia tsy tokony hanohintohina ny fiainan’ny hafa. Ekena, hoy i Andry Rajoelina, fa miantoka ny fahalalahan’ny tsirairay, indrindra ny fahalalahana haneho ny andininy faha-10 ao amin’ny Lalàmpanorenana, saingy misy fetrany izany dia tsy tokony hanohintohinana ny fahalalahan’ny hafa. Noresahin’ny Kandidà Andry Rajoelina manokana ny fiharian’olona maro izay simba noho ity resaka fidinana an-dalambe ity. Fepetran’ny fahalalahana maneho hevitra ihany koa ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny firenena, ary ny filaminan’ny Fanjakana. Voahaja ve ireo amin’ny fanehoan-kevitr’ireo Kandidà 11? Nahitsy ny Kandidà Rajoelina omaly raha nilaza fa tomponandraikitra tanteraka amin’ny fanakorontanana eto amin’ny firenena ireo kandidà 11 ireo.

Fifidianana ihany!

“Tsy mila korontana intsony ny malagasy, tsy mendrika potehina intsony ny firenena. Melohina tanteraka ny fanavakavahana ny malagasy? Tomponandraikitra ary hotsarain’ny tantara izay minia manao izany”, hoy i Andry Rajoelina. Nasiany resaka manokana ny fiantsoan-dRavalomanana ny miaramila misatro-manga an’ny Firenena mikambana, hanafika an’i Madagasikara. Zava-doza izany, hoy ny Kandidà Andry Rajoelina. Nazavainy fa ny firenena handefasana an’ireny miaramila misatro-manga ireny dia ireo izay ahitana ady an-trano lalina, sy fifamonoana, ka tsy azo ekena raha toa ka tompondraikitra eo amin’ny sehatra politika no iteny an’izany.

Rahampitso dia hiditra fampielezankevitra isika, araka ny tetiandro efa napetraky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Fanajana ny Lalàmpanorenana ny firosoana amin’ny fifidianana, hoy i Andry Rajoelina. Noho izany, niantso fitoniana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany. “Tsy avelantsika ho rendrika ity nosy ity. Tsy avela ho tarihina amin’ny fifandrafesana ny Malagasy. Tsy azo ekena hoe olom-bitsy no handrombaka ny fahefan’ny malagasy”, hoy hatrany ny fanehoan-keviny. Mazava ny voalazan’ny andininy faha-5 amin’ny Lalàmpanorenana hoe “Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa
izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra
anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy
misy mihitsy ampahany amin’ny vahoaka, na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa
izany fahefana feno izany”.

Fermer