Sosialy

« FIAINAM-PIRENENA SY NY FIKAMBANANA ZEZOITA » Nivoaka ny boky tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny faritra Zezoita eto Madagasikara

08 jona 1971 – 08 jona 2021, feno 50 taona ny Faritra Zezoita eto Madagasikara. Maro ny nanaraka ny tantara, fa tsy afa-misaraka amin’ny tantaram-pirenena Malagasy hatramin’izay ny tantaran’ny fiangonana, tamin’ny alalan’ny Fikambanan’i Jesoa na ny « Zezoita ». Natao boky ho isan’ny tsangam-baton’ny faha-50 taona io izany, izay nampahafantarina omaly, teny amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe. Boky nampitondraina ny lohateny « Les Jésuites dans l’histoire de Madagascar. Promouvoir la personne et la société », izay azo adika tsotra amin’ny hoe « Ny Zezoita eto Madagasikara sy ny tantaran’ny firenena, ary ny sehatry ny fampiroboroboana ny maha olona ataon’ny Fikambanan’i Jesoa eto Madagasikara ». Notsiahivin’ny Pretra Randriamanalina Roger, Mpandrindra nasionalin’ny Fikambanan’i Jesoa ny fifamatoran’ny tantaran’ny fiangonana sy ny firenena teto Madagasikara. Efa hatramin’ny taona 1500 sy 1600, fa indrindra ny taona 1855 izay nipetrahan’ny fikambanana Zezoita teto Madagasikara, ary ny taona 1971 no voalaza fa Faritra manokana itoeran’ny Zezoita i Madagasikara. Maneran-tany ny fikambanana, izay misokajy amin’ny fitantanan-draharaha antsoina hoe « conference » ankehitriny, izay mitoetra eto Afrika, any Azia, Eoropa, Amerika Latina, izay mitsinjara ho faritany toa an’i Madagasikara, izay anatin’ny « conference » aty Afrika. Ny fitoriana ny vaovao mahafaly no nanamarikany tantaran’ny fiangonana hatramin’izay, fa nananany andraikitra betsaka koa ny lafiny fanabeazana sy fikoloana ny maha olona. Ohatra amin’izay fifandraisan’ny tantaram-pirenena sy ny fiangonana izay ny tamin’ny Repoblika I, izay nahatafiditra Pretra Zezoita ho isan’ny mpikamban’ny tao amin’ny Antenimierandoholona. Nanamarika ny tolon’ny 1972 ny fisian-dry Mompera Ralibera sy ny tanora maromaro natao tany Nosilava, torak’izany ny tantaran’ny raharaha 1975 sy ny sisa taty aoriana, izay nisian’ny fifandraisana tamin’ity Pretra mpanoratra no mpanao gazety nahery fon’ny firenena ity. Ankoatra io famoahana boky io, maro ny tsangam-bato nanamarika ny faha-50 taona natao tamin’ity taona ity, toy ny fanentanana ara-panahy nandritra ny fihibohana noho ny covid-19 teto ireny, tany an-tambajotran-tserasera sy onjam-peo. Teo koa ny fananganana fotodrafitrasa toy ny « Centre d’Animation Spirituelle et Ecologique » eny Mangarivotra Bevalala, izay trano naorina ho fanentanana ara-panahy sy ara-tontolo iainana, toy izay naorina etsy Amparibe sy any Mananjary… Mifanandrify amin’ny andro hahatsiarovana ny nahafatesan’ny Olomasina Jacques Berthieu, Pretra Zezoita frantsay niasa teto Madagasikara, io andro ankalazan’ny Faritra Zezoita eto Madagasikara ny nisiany teto io.

Fermer