Fanadihadiana Manokana

FIAKARAN’NY TOSI-DRA ANY AMIN’NY TANORA: Zava-dehibe ny fifehezana ny rarin-tsaina sy ny tsy fahampiana torimaso

Tsy voafetra ho toe-batana hita any amin’ny olona efa antitra ihany ny fiakaran’ny tosi-drà fa mety mahazo ny tanora ihany koa. Mahazo vahana io fiakaran’ny tosi-drà any amin’ny tanora io ankehitriny ka antony voalohany mandrisika izany ny tsy fahaizana mifehy ny rarin-tsaina sy ny tsy fahampiana torimaso. Nomarihina tamin’ny 17 mey lasa teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fiakaran’ny tosi-drà. Nohamafisina nandritra io fotoana io ny fanentanana mba tsy hahatongavana any amin’izay fiakaran’ny tosi-drà izay.

Hamaritana ny tosiky ny rà mikoriana ao amin’ny vatan’ny olona iray ny tsindry ampiasan’ny rà amin’ny rindrin’ny lalan-drà. Ankoatra ny tazomoka, isan’ireo toe-batana miteraka aretina mpahazo ny Malagasy betsaka indrindra amin’izao fotoana ny fiakaran’io tosi-drà io. Araka ny tatitra nivoaka farany, manana tosi-drà avo avokoa ankehitriny ny 30%n-ny Malagasy. Mandritra ny fanatanterahana ireny hetsika ara-pahasalamana samihafa ireny dia atao laharam-pahamehana hatrany  fanomezana tolotra mifandraika amin’ny fanaraha-maso ny tosi-drà.
Tafakatra hatramin’ny 16 tapitrisa isan-taona kosa ireo olona matin’ny fiakaran’ny tosi-drà eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Iray amin’ireo toe-batana mitarika aretina tena atahoran’ny olona maro ihany koa izy satria anisan’ireo manafaingana ny fahafatesana noho ny fisian’ny fiantraikany mivantana amin’ny fikorinan’ny rà any amin’ny fo sy ny atidoha. Ny “tensiomètre” no fitaovana fandrefesana ny tosi-drà. Lazaina fa ara-dalàna ny tosika raha toa ka mamoaka tarehimarika manodidina ny 12.8. Ireo tarehimarika 14.9 no miakatra kosa no sokajiana ho ambony.

Mpahazo ny tanora ihany koa

Toe-batana mahazo ireo olona efa nahazo taona no hahafantaran’ny maro izany fiakaran’ny tosi-drà izany. Nomarihin’ny mpitsabo anefa fa tsy miankina amin’ny fahanterana fotsiny ihany ny fanana tosi-drà avo fa mifandray betsaka amin’ny fomba fiaina ihany koa. Izany indrindra no mahabetsaka ireo tanora mizaka ny voka-dratsin’ny fiakaran’ny tsodi-drà ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny Dr Rakotozafy Germain izay talen’ny sampan-draharaha misahana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia anisan’ireo antony mandrisika ny fiakaran’ny tosi-drà any amin’ny tanora rarin-tsaina ateraky ny fiainana andavanandro. Eo ihany koa ny tsy fahampiana torimaso. Noho izany dia mila mahay mandanjalanja ny fiainany ny rehetra, na eo amin’ny lafiny asa izany, na ihany koa ny andavanandrom-piainana amin’ny ankapobeny, hoy ny fanazavana. Ankoatra ny fiakaran’ny tosi-drà, miteraka fahasimban’ny voa ny rarin-tsaina sy ny tsy fahampiana torimaso, manimba ny lalan-drà, manapaka tampoka ny lalan-drà any amin’ny loha, mahatonga ny aretin’ny fo sy ireo karazana aretina hafa mety hiseho.

Tsara hatrany ny mampatsiahy fa tsy voafetra amin’ireo teboka roa ireo ihany ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tosi-drà eo amin’ny olona iray. Mizara ho sokajy maromaro ireo antony ireo ka voalohany amin’izany ireo izay mifampiankina amin’ny toe-batan’ny olona. Fantatra, noho izany, fa mety ho foto-tarazo avy amin’ireo Ray aman-dReny nolovaina tany aloha no antony mahatonga ny olona iray hahana tosi-drà tsy ara-dalàna. Araka ny efa fahafantaran’ny maro azy, mora manana tosi-drà avo ihany koa ireo olona lehibe vatana sy manana lanja mihoatra ny tokony ho izy ka isan’ireo antony mahatonga ny fiakarana izany. Tsy azo hadinoina fa isan’ny manome vahana amin’ny fanana tosi-drà avo ny fomba fiainantsika isan’andro. Singanina manokana amin’izany ny tsy fanaovana fampiasam-batana na fihetseham-batana diso mihenjana be loatra (reraka), sy ny tsy fahaizana mandanjalanja ny sakafo hoanina. Fandraisana zava-pisotro misy alikaola, adin-tsaina, sakafo be sira sy ny maro hafa, isan’ireo antony mety mahatonga ny fiakaran’ny tosi-drà avokoa izany.

 

Fanaovana fampiasam-batana, fandanjalanjana ny sakafo…

Manoloana ireo rehetra ireo, miankina amin’ny fanefena ny fomba fiainan’ny tsirairay ny hisorohana ny fiakaran’ny tosi-drà ao aminy. Torohevitra tenenina matetika ny hoe mila manao fampiasam-batana , toy ny dia an-tongotra, sy miala amin’ny tebitebin-tsaina raha azo atao. Mifanindran-dalana amin’izany, torohevitra avy amin’ireo mpitsabo matihanina amin’ny sakafo ihany koa ny tokony handrindrana ny fomba fisakafoana sy fisafidianana azy ireo. Misongadina voalohany amin’izany ny fampiasana ny sira izay tokony ho amin’ny antoniny. Tsy tokony hihoatra ny 5g ny tahan’ny sira miditra amin’ny vatan’ny olon-dehibe iray isan’andro. “Rehefa hita fa manana toe-batana matavy ny olona iray dia avy hatrany manome torohevitra ara-tsakafo azy ireo izahay hoe ahena ny fihinana sakafo matavy, na ny hena izany, na ny menaka. Eo ihany koa ny fihinanana sira izay anisan’ny antony iray mampiakatra ny tosi-drà”, hoy ny fanazavana. Ankoatra ireo, manana tombony hatrany amin’ny 75% tsy ho tratran’ny fiakaran’ny tosi-drà ihany koa ny olona iray mampihena ny fihinana sakafo toy ny atody, ronono, ary hena mena, mba tsy hampitombo ny tavy amin’ny vatana. Mitovy amin’izany ihany koa ny fandraisana sigara, paraky sy alikaola.

Hetsika notanterahana teny Ambohipo

Marihana isaky ny datin’ny 17 mey moa ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fiakaran’ny tosi-drà. Lohahevitra nampiroboroboana ny fanentanana tamin’ity taona ity ny hoe “Tsapao ny tosi-drànao, araho maso matetika, hiainanao maharitra kokoa”. Nisy ny hetsika mifandraika amin’izany notanterahana teny Ambohipo tamin’ny sabotsy lasa teo. Tanjona ny hampiroboroboana ny fahasalamana sy fisorohana ny fiakaran’ny tosi-drà. Hetsika nandraisan’anjaran’ny mpisehatra amin’ny fahasalamana maro tamin’io fotoana io ny fanaovana diabe namakivavy tanàna. Teo ihany koa ny fanatanterahana dihy Zumba izay nanampy betsaka tamin’ny fampiasam-batana. Anisan’ny tena nandrandrain’ny maro nandritra io fotoana io ihany koa anefa ny fisian’ny tolotra fitsapana tosi-drà. Niara-dalana tamin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana maro maimaimpoana. Tsy adinoina ny fanamafisana ireo fanentanana amin’ny fandrindrana ny fomba fiaina mba hisorohana ny fiakaran’ny tosi-drà amin’ny olona iray. Fahombiazana, araka izany, ny fanatanterahana io hetsika fanamarihana ny andro manera-tany iadiana amin’ny fiakaran’ny tosi-drà io. Nisaotra ireo rehetra nifanolo-tanana tamin’ny fikarakarana izany ny tompon’andraikitra.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer