
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FIAKARAN’NY VIDIN’ENTANA ETO MADAGASIKARA: Akon’ny fiakaram-bidy maneran-tany, mandray andraikitra ny Fanjakana
“Mahatsapa tsara ny zavatra iainan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, ary tena miray fo amin’ny Malagasy manoloana ny fahasarotan’ny vidim-piainana amin’izao”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha nanontanian’ny Mpanao gazety mahakasika ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny. Nambarany kosa anefa fa tsy tokony hatao fitaovana handranitana sy hanakorontanana ara-politika ny zava-misy.
Notsindriany fa tsy i Madagasikara irery no miaina izany fiakaran’ny vidin’entana izany fa manerana izao tontolo izao noho ny ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 dia efa niakatra tsy nijanona ny saram-pitaterana an-dranomasina ho an’izao ontolo izao. Mazava ho azy, fa rehefa miakatra ny saram-pitaterana an-dranomasina, dia miakatra koa ny saran’ny fanafarana entana. Tsy afa-bela isika satria ny ankabeazan’ny entana ilaintsika andavanandro dia mbola afarana avy any ivelany avokoa, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Tamin’ny Novambra 2021, ny fikaonandohan’ny Firenena mikambana mahakasika ny varotra sy ny fampandrosoana dia efa nampitandrina sy nampaneno lakolosy fa ho tafakatra hatrany amin’ny 11% ny saran’ny fanafarana entana manerana izao tontolo izao, vokatr’io fiakaran’ny saram-pitaterana an-dranomasina io.
Araka izany, sarotra ny manakana ny fiakaran’ny vidin’entana, saingy ny manamaivana ny fiantraikan’izany no hataon’ny Fanjakana. Betsaka ny fandaharanasa mitsinjo manokana ny lafiny sosialy, izay mandeha ankehitriny. Isan’ireny ny Vary mora, ny Vary tsinjo, ny Vatsy tsinjo, izay fanampiana ireo tena marefo. Eo koa ny Tosika Fameno, izay tohana ara-bola hahazoana iray hetsy ariary isam-pianakaviana. Misy koa ny “haraton’aina mijoro”, hahazoana 60 000ar isaky ny roa volana ao anatin’ny telo taona, hanampiana ny fianakaviana tena sahirana. Ireo rehetra ireo no natao dia mba hanalefahana ny vesatry ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanazavana hatrany.




