PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FIAKARAN’NY VIDIN’ENTANA: Mandeha ny fitsirihana tampoka ireo tsena manerana ny Nosy

Tato anatin’ny andro vitsivitsy, nahitana fiakarany mihoam-pampana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN eny an-tsena. Voakasik’izany ny vary gasy sy ny vary makalioka. Manodidina ny  3700 Ar ny kilao, raha ny hita tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny Teknisianina avy amin’ny Minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana, ny faran’ny herinandro teo. Nofantarina ny anton’ny fisondrotam-bidy, tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo antontan-taratasim-barotr’ireo mpandrinjara, hijerena raha toa misy ny fanararaotana. Nojerena koa fizotran’ny fitsinjarana entana na ny “Circuit de distribution” ka hentitra ny fanarahamaso, hahafahana manome valiny mazava ireo mpanjifa momba ny anton’ny fiakaram-bidy. Io “circuit de distribution” io no tokony hajain’ny mpivarotra tsirairay, hoy ny teo anivon’ny Minisitera.

Ny tsena teny Analakely sy Mahazo no nanombohana ny fitsirihana tampoka nataon’ny teknisian’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, ny herinandro lasa teo. Mazava ho azy, mbola hitohy amin’ireo tsena hafa eto Antananarivo sy ny manodidina izany. Izany rahateo no toromarika nomen’ny Minisitra tomponandraikitra. Tsy azo ekena intsony, noho izany, ireo endrika fanararaotana amin’ny vidin’entana. Tsara ho fantatra fa efa mandray ny andraikiny daholo koa ireo fitaleavam-paritra manerana ny Nosy.

Tsy afa-miala i Madagasikara…

Tetsy ankilany, efa nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika fidangan’ny vidim-piainana misy eto Madagasikara ankehitriny ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano Mihono”, ny zoma teo. Nambarany fa Nosy i Madagasikara, mbola hafarana ny ankamaroan’ireo entana ilaintsika andavanandro. Ny fiakaran’ny vidin’entana iraisampirenena, noho izany, dia tsy maintsy misy vokany amin’ny vidin’entana eto amintsika. Tsara ho fantatra koa fa miakatra ny saram-pitaterana entana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny. Raha toa ka 1 000 dolara teo aloha, ankehitriny efa ho 12 000 dolara izany. Ireo rehetra ireo dia anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fiakaram- bidim-piainana eto amintsika daholo. “Na iza na iza no nitondra teo dia tsy maintsy miatrika an’izay fiakaram-bidim-piainana izay satria zava-misy iraisampirenena io. Na iza na iza mpamakafaka ara-toekarena dia tokony mahita an’izany lafin-javatra izany, ka tsy azo ihodivirana aloha ny fiakaram-bidim-piainana”, hoy ny Minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Ity farany izay nanipika mazava fa tsy ny Fanjakana ankehitriny velively no nampiakatra ny vidim-piainana. Ny azo ambara aza dia mbola ambany ny tahan’ny fisondrom-bidim-piainana eto amintsika, raha toa ka 40% ny any Sri Lanka, 70% ny any Sénégal.

Fermer