PolitikaSongadim-baovao

FIAKARAN’NY VIDIN’ENTANA: Mihoa-pampana ny fanararaotana ataon’ireo mpaninjara

Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, Naina Randriamananjara niaraka tamin'ny Tale Jeneralin'ny SPM, ary ny solontenan’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa no nahitana fa mipetraka tsara amin’ny vidiny ara-drariny ny vidin’entana rehetra miainga avy eny amin’ireo mpamongady nanaovana fitsirihana. Eny amin’ireo mpaninjara, na Epicerie kosa no tena ahitana fanararaotana mihoa-pampana, raha ny fanazavana hatrany.

Voahaja ny vidiny ara-drariny eny anivon’ny mpamongady. Manamafy ny fidinana eny an-tsena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Nitety ireo mpamongady teny amin’ny tsenan’Anosibe sy Anosipatrana ny delegasion’ny kaomisera sy mpanara-maso ara-barotra notarihin’ny Tale Jeneraliny misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, Naina Randriamananjara niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny SPM sy ireo Fikambanan’ny mpanjifa. Tsikaritra fa voahaja ny vidiny ara-drariny napetraky ny Minisitera eny anivon’ny mpamongady teny an-toerana.

Ireo mpaninjara na ireo épicerie sy ireo mpivarotra eny anivon’ny fokontany no voaporofo fa mampiakatra ny vidin’entana. Mifanalavitra be ny vidin’entana misy eny amin’ny mpamongady sy ny mpaninjara, araka ny fanazavana. Misy ny fakana tombony be loatra ataon’ireo mpivarotra atsinjarany.

Tsy ny vary ihany…

Araka ny valin’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra, efa tafakatra 10 000 ariary isaky ny kitapo farafahakeliny ny tombony alain’ireo mpaninjara mivarotra ny vary nafarana, raha toa ka 3 000ary ny an’ireo mpamongady. Nambaran’izy ireo, fa na misy aza saran’ny fitondrana entana, dia tsy tokony hisy ny fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidin’entana tsy araka ny tokony ho izy. Notsipihan’ny Tale Jeneralin’ny SPM mihitsy, Andriamatoa Solo Andriamanampisoa, fa tsy tokony hihoatra ny 2 000ariary isaky ny kilao ny vidin’ny vary nafarana. Nambarany fa vary tokony hamidy 540ar na 550ar isa-kapoaka, no misy mivarotra hatrany amin’ny 600ar sy 800ar . Nahita io tsy fahatombom-banan’ny vidin’entana io ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay nanao fidinana ifotony. Isan’ireo voakasiky ny fiakarana menaka, ny vary, ny lafarina, ny sira. Mitaky ny fandraisana fepetra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.

Nanamafy ny fanentanana ireo mpivarotra hatrany ireto tomponandraikitra ireto mikasika ny fanarahana ireo fepetra ara-barotra rehetra, toy ny fametrahana vidin’entana, ny fananana faktiora mazava tsara. Notsindrin’ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana fa handray ny andraikiny feno ny Minisitera manoloana ny fanararaotana ka hanao tsindrio fa lavo ny mpanjifa.

HETSIKY NY MPIARO NY ZON’NY MPANJIFA: Novalin’ny Prefektiora

Nolavin’ny prefektiora ny fangatahana nataon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’ny hanaovana hetsika am-pilaminana eo amin’ny 13 mai manoloana ny “fidangan’ny vidim piainana”. Antony noho ny tsy fisian’ny « autorisation d’occupation ». Na eo aza izany fanapahan-kevitra izany dia hanatanteraka ny hetsika hatrany ireo mpiaro ny Zon’ny mpanjifa amin’ny zoma izao.

Fermer