Fanadihadiana Manokana

FIALAN-TSASATRA LEHIBE: Misafidy fialam-boly tsy misintaka ny renivohitra ireo Ray aman-dReny

Mbola vitsy amin’izao andro maromaro tsy hifaranan’ny volana jolay izao ireo olona mandeha miala sasatra ivelan’Antananarivo, raha ny antontanisa avy eny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka no jerena. Anton’izany ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Mirona kokoa amin’ny fampifaliana ny ankizy amin’ny alalan’ny fisafidianana fialam-boly tsy misintaka ny renivohitra ireo Ray aman-dReny.

Fotoana mampiroborobo ny fizahantany anatiny ny andron’ny fialan-tsasatra lehibe toy izao. Nanomboka tamin’ny 21 jona lasa teo no niditra tao anatin’io fialan-tsasatra lehibe io ireo mpianatra, raha toa ka amin’ny 08 septambra indray ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao. Tsiahivina fa maherin’ny 70 000 ireo olona nanao izay fizahantany anatiny izay tamin’ny taona 2024 lasa teo. Fitsidihana sy fivahinianana mandritra ny fialan-tsasatra lehibe ny ankamaroan’izy ireo.

Mbola mijanona ho fitaovam-pitaterana maro mpampiasa amin’ny fivezivezena manerana ny Nosy rehefa miala sasatra ny taksi-brosy. Amin’izao roa herinandro tsy hifaranan’ny volana jolay izao anefa dia nohazavain’ny tompon’andraikitra eny amin’ny toby fiantsonana Maki Andohatapenaka, Fidy Ranaivoson, fa mbola vitsy ny antontanisan’ny mpandeha voarakitra ao amin’io tobim-piantsoanana mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy io. Raha oharina amin’ny zava-misy isan-taona dia tombanana mbola ny 45%-n’ireo mpandeha hatreto no mandeha miala sasatra. Antontanisa izay nihena raha ampitahaina amin’ny fahabetsahan’ny mpandeha, amin’ny vanim-potoana mitovy. Araka izany, fiara 60 hatramin’ny 70 isan’andro no mivoaka ao amin’ny tobim-piantsonana Maki. Maro an’isa amin’izy ireo ny mihazo an’i Mahajanga sy ny lalam-pirenena fahenina.
Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa tsy miova ny saran-dalana ho an’ireo zotra rehetra miainga ao Andohatapenaka. Azon’ireo mpanjifa atao ny mitoroka sy mampilaza raha toa ka iharan’ny fanararaotana amin’ny saran-dalana izy ireo. Mba ho fialan-tsasatra hieren-doza, nanamafy fanentanana amin’ireo rehetra mampiasa ny lalana ny tompon’andraikitra. Ho an’ny mpamily manokana dia tsy fampisehoana ny tanjaky ny fiara ny lalam-pirenena ka tsy tokony handeha mafy izy ireo, hoy hatrany ny tompon’andraikitra eny amin’ny toby fiantsonana Maki Andohatapenaka.

Mitaky fanomanana tetibola

Ny tsy fahampian’ny hoenti-manana no mahatonga ireo fianakaviana mbola tsy handeha hiala sasatra, indrindra ny mivoaka an’Antananarivo, raha ny nambaran’ny renim-pianakaviana roa nanontanianay. Mitaky tetibola sy fanomanana mialoha mantsy ny fanaovana izany fialan-tsasatra lehibe izany. Raha ny tombana miainga amin’ny zava-misy dia mila manomana 1 000 000Ariary raha ambany indrindra ny fianakaviana iray ahitana olona 3 na 4, rehefa handeha hiala sasatra. Fandaniana ho an’ny fialan-tsasatra ao anatin’ny 5 andro izany, raha hihazo an’i Mahajanga na Toamasina izay toerana mbola maro mpisafidy hatrany. Tafiditra ao anatin’io ny saran-dalana mandroso sy miverina, ny hofan’ny trano hipetrahana, ny sakafo sy ny fandaniana madinika mandritra ny 3 andro fivahinianana any amin’ilay toerana.
Manoloana izany, mirona amin’ny fisafidianana fialam-boly tsy misintaka ny renivohitra ireo Ray aman-dReny mba hampifaliana ny zanany mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Anton’io safidy io, hoy ireo renim-pianakaviana, ny fialana amin’ny fidangan’ny vola mivoaka ao an-tokantrano kanefa afaka mampifaly ireo ankizy etsy andanin’izay. “Ny tena tsara dia mijery ireo fialam-bola tsy andoavana sarany. Saingy sarotsarotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitadiavana fialam-boly azo atao kosa anefa ny fifanakalozana amin’ireo Reny namana hafa”, hoy ny fanehoan-kevitr’i Rinasoa, renim-pianakaviana.

 

Fizarana amin’ny famakiana boky

Maro ireo Ray aman-dReny no misafidy ireo fialam-boly mitondra fahalalana na dia ao anatin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra aza. Lasa fialam-boly mahazatra amin’ny fotoana toy izao ny fanazarana ny ankizy amin’ny famakiana boky. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana vaky boky. Ankoatra ny maha fialam-boly azy mantsy dia mitondra fahalalana amin’ny endriny samihafa ny fanaovana vaky boky. Ho an’ny ivotoeran-kolontsaina iray eto an-drenivohitra notsidihanay dia nitombo 30% hatreto ny antontanisan’ireo ankizy sy tanora tonga misoratra anarana ao amin’izy ireo mba hanao izay vaky boky izay mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Nohazavain’ny tompon’andraikitra fa fironana misy ny fiakaran’io antontanisa io hatramin’ny avo telo heny, mialoha ny fihafaran’ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Ankoatra ny fisitrahana ny famakiana ireo karazana boky, afaka misitraka ireo tolotra hafa fampialana voly mandritra ny fialan-tsasatra omen’ny ivontoerana ihany koa ireo ankizy. Ohatra amin’izany ny fifanakalozana miaraka amin’ireo mpanoratra, fanatrehena valan-dresaka sy fanentanana maro samihafa, ary fijerevana horonan-tsary maimaimpoana.

 

Fialam-boly hafa mitondra fivoarana

Na ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra aza dia mihodina hatrany ny sekoly sasany eto an-drenivohitra, tsy manakatom-baravarana fa misokatra hatrany ho an’ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReniny. Anton’izany ny fikarakaran’izy ireo ilay antsoina hoe “atelier de vacances”. Hetsika fialana voly hatrany no atao ao anatin’izany saingy mironana kokoa any amin’ny fampivoarana ny ankizy no tanjona. Ampitaina amin’ny ankizy mandritra ireo fotoana ireo ny fianarana nahandro, manjaitra, dihy sy hira, fanatsarana ny fahaizana amin’ny hosodoko, ary fampianarana karazana kilalao maro tsy fahita firy amin’ny andavanandro. Mahasarika ireo Ray aman-dReny ny fandefasana ny zanany any amin’ireny “atelier de vacances” ireny satria sady mahay zava-baovao ny ankizy kanefa ambany kokoa ny saram-pandraisan’anjara: manomboka amin’ny 2 000Ariary isan’andro isan’ankizy. “Nisafidy ny handefa ny zanako amin’ireny hetsika ho an’ny fialan-tsasatra any an-tsekoly ireny izahay satria azo antoka fa tsy hisy ny fanomezana azy finday na fijanonany ela eo amin’ny fahitalavitra. Rehefa fialan-tsasatra toy izao mantsy, ka tsy mandeha manao fitsidihana, dia tsy maintsy voasarika amin’ny fijerena ireo fitaovana ireo foana ny ankizy. Misy voka-dratsy anefa ny fanomezana ankizy finday na fijerena fahitalavitra be loatra”, hoy hatrany i Rinasoa. Misokatra ho an’ny ankizy rehetra ny sekoly ao anatin’ny fikarakaran’izy ireo io karazana hetsika io, eny na ankizy tsy mpianatra ao amin’izy ireo aza. Fomba iray natao hisarihana mpianatra vaovao ihany koa anefa ny fikarakarana “atelier de vacances”. Mifameno, noho izany, ny tolotra sy ny tinady eo amin’ireo sekoly sy ny Ray aman-dReny.
Fehiny, samy manana ny safidiny amin’ny fialam-boly natao hampifaliana ny ankizy ireo Ray aman-dReny amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Ny hoenti-manana anefa no mametra io safidy io. Mirona amin’ny fialam-boly tsy miala eto an-drenivohitra ny ankamaroan’ny fianakaviana.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer