Songadim-baovaoToekarena
FIANARANTSOA : Notokanana ny « Galerie Commerciale O’ Matsiatra » ao Antarandolo
Isan’ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika tao amin’ny renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny fananganana ny fananganana toeram-pivarotana lehibe ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa, nandritra ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra. Tanteraka izany ankehitriny, izay tsy vitan’ny toerana hahafahan’ny vahoaka mivarotra fotsiny ihany, fa sady fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekaren’ireo Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana koa.
Manohy ny fitsidiham-paritra manaraka ny lalam-pirenena fahafito ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Ho an’ny tontolo andron’ny omaly, tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Faritanin’i Fianarantsoa ny Filoha Andry Rajoelina. Nanombohany ny fidinana ifotony nataony ny fitokanana ny toeram-pivarotana goavana « Galerie Commerciale O’ Matsiatra » tao Antarandolo. Ity farany izay tanim-panjakana nisy ny SOMACODIS teo aloha, no nohavaozin’ny Faritra manontolo ary nananganana ny toeram-pivarotana manarapenitra. Tetibola avy amin’ny Fanjakana tantanin’ny Faritra mitentina 1 miliara 55 tapitrisa ariary no nanaovana ny fotodrafitrasa. Hahazaka mpivarotra miisa 450 ny toeram-pivarotana, araka ny fanazavana. « Hampidi-bola ny Faritra ny hofan’ny toerana ka entina hamatsiana solika ireo « engin » na fitaovana fanamboaran-dalana goavana avy amin’ny Filoha ny vola miditra amin’ny tsena », araka ny fanazavan’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony.
Hisokatra ho an’ny varotra rehetra
Hizara roa ny toerana ka misy ampahany hotantanan’ny kaominina ary misy ho tantanin’ny Faritra, raha ny fanampim-panazavana hatrany. Nilaza ny Filoha fa tsy mijanona ny asa fampandrosoana na misy aza ny krizy ara-pahasalamana. Manaporofo izany ny fahavitan’ny Fotodrafitrasa goavana O ‘Matsiatra izay sady mampandroso ny tanàna no mampiavaka an’ i Fianarantsoa. Ny Galerie commerciale O’Matsiatra ihany koa no toeram-pivarotana goavana voalohany tantanin’ny Vondrombahoaka Itsinjaram-pahefana raha toa ka tantanin’ny Tsy miankina hatrany izany. Hisokatra ho an’ny sokajim-barotra rehetra ny toerana. “Tsy nisy intsony ny Fanamboarana Fotodrafitrasa ho an’i Fianarantsoa taorian’ny Repoblika voalohany. Miisa 74 izao ireo fotodrafitrasa amboarina na andalam-pahavitana ho an’ny tanàna amin’izao fitondrana izao”, araka ny tatitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manampy amin’ny fanafainganana ny asa fampandrosoana tarihin’ny Filohampirenena ihany koa ny fahaiza-mitantana ataon’ny Governora, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity. Hahafahana manatratra ny velirano faha-12 napetraky ny Filoha izay mifantoka amin’ny fahaleovantenan’ny Faritra izany, hoy hatrany ny fanazavana.




