PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIANARANTSOA: Tonga ny lohamasinina voalohany ho an’ny FCE

Manao tohivakana ny fanatanterahana ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka. Tsy hisy intsony ny faritra sy ny distrika ho adino, ka anjaran’i Fianarantsoa sy ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy iny indray no nahazo ny anjarany, tamin’ny fahatongavan’ny lohamasinina ny faran’ny herinandro teo. An-kafaliana tanteraka no nandraisan’ny vahoaka izany. Velirano izay hamaha olana tanteraka eo amin’ny fitaterana an-dalamby any an-toerana.

Nitandavana ireo fiara tonga maro be nitsena ny lohamasinina.

Izay nampanantenaina dia tsy maintsy tanterahana! Tamin’ny fankasitrahana sy haravoana tanteraka no nitsenan’ny vahoakan’i Fianarantsoa ny fahatongavan’ny lohamasinina ho an’ny FCE na Fianarantsoa Côte-Est ny sabotsy teo, izay fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho azy ireo.  Ity vina ity dia natao indrindra hamahana ny olan’ny fitaterana an-dalamby ao amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy ny Faritra Vatovavy fitovinany. Vao tany am-pidirana ny tanànan’I Fianarantsoa dia efa maro ireo vahoaka teny an-tsisin-dalana no tonga sy nanontrona ny fahatongavan’ity lohamasinina ity. Tsy vitsy koa ireo nanaraka tamin’ny fiara sy ny môtô ary bisikileta ny fiarabe nitondra izany avy taoriana, niaraka tamin’ny fampanenoana anjomara ho mariky ny hafaliana. Faly, velom-panantenana ary mahatsapa fa tsy kobaka am-bava na fampanantenana poakaty no nataon’ny  Filoha Andry Rajoelina fa tena notanterahana.

Mbola ho avy ny manaraka

Raha tsiahivina, fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fony izy nanao fampielezan-kevitra tao Fianarantsoa ny hanomezana Lohamasinina ho an’ny FCE. Ny volana septambra 2019 no nihazo an’I Bilbao Espaina ny delegasion’ny Minisiteran’ny Fitaterana nijery ireo lohamasinina ho an’ny zotra FCE izay efa nampanantenaina. Ny 13 Marsa tamin’ity taona ity, tonga tao amin’ny seranantsambon’I Toamasina ireo lohamasinina efatra nafarana. Ireto farany izay nafindra avy hatrany tao amin’ny Gara Manangareza.  Ny alarobia 13 may 2020, ireo lohamasinina ireo no niala tao amin’ny Gara Manangareza ary nakarina teto Antananarivo, nitoby etsy amin’ny Gara Soarano. Nisy ireo fanamboarana teknika tsy maintsy natao tamin’ireo lohamasinina mba hifanaraka amin’ny lalamby malagasy, eo koa ny hisatra ankoatra ny fandokoana. Santatra ambavarano ihany, araka izany, ity tonga tao Fianarantsoa ny sabotsy teo ity. Mbola andrasana ny fahatongavan’ireo  lohamasinina roa ambiny sy ireo wagon maromaro ambiny izay ho avy manaraka satria fiara lehibe no mitaona azy ireo amin’ny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ka mila arindra mba tsy hanohitohina ny fifamoivoizana, araka ny fanadihadiana.

Ain-dehibe ho an’ny toekarena

An-kafaliana no nadraisan’ny vahoakan’i Fianarantsoa ny lohamasinina.

Tsy fanamby fe fanamby na famalifaliana vahoaka fotsiny ihany ny nanoloran’ny Fanjakana ity lohamasinina ity, fa antoka lehibe ho an’ny toekarem-pirenena mihitsy, indrindra ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Vatovavy Fitovinany, izay lalovan’ny lalamby mivantana. Miantoka 100% ny famoahana ireo voka-pambolena any amin’ireo tanàna ambanivohitra rehetra manelanelana an’I Fianarantsoa sy Manakara tokoa mantsy ny fiara andalamby. Midika izany fa raha vao tsy misy ny lamasinina dia tsy mivoaka ny vokatra any amin’ireo tanàna lalovana ireo. Araka ny fanadihadiana, mahatratra 163 km ny elanelan’ny zotra andalamby mampitohy an’I Fianarantsoa sy Manakara, misy gara 18 ary tonelina 48 sy tetezana 67. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 400 olona eo hatrany no nentin’ny fiara andalamby ao mandritra ny dia iray. Tsy vitsy amin’ireo no olona hizahantany fotsiny ihany, ankoatran’ny mpivarotra sy ny mpandeha tsotra. Ny lalana rahateo betsaka toerana mahafinaritra sy mahaliana raha olona hizahatany sy hitsangatsangana. Ankoatra izay, rehefa amin’iny fotoana hiantsonan’ny lamasinina iny dia maro be ireo mponina any ifotony no tonga mitondra vokatry ny tany na sakafo mampiavaka ny any an-toerana, entina amidy amin’ireo mpandeha, izay liana ihany koa amin’ny zava-baovao hitany. Ireo rehetra ireo, entina hilazana fa paikady mahomby ny famelomana indray ny FCE. Ary tsy diso lalana ny Fanjakana raha nanao Velirano tamin’izany satria hamelona indray ny toekarena.

Fermer