PolitikaSongadim-baovao

FIANDRASANA NY VOKA-PIFIDIANANA : Tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana

Hentitra ny baiko nomena ny mpitandro filaminana telo tonta. Tsy misy afaka manao fanambarana ireo mpitandro filaminana raha tsy mahazo alalana avy amin’ny lehibeny avy. Tsy azo ekena ny fanakorontanana na avy any ivelany na avy ato anatiny. Manaiky izy ireo fa izay filoham-pirenena lany havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eo no filoha faratampon’ny foloalindahy araka ny fanambaran’ny Emmo/Nat tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly antoandro.

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Emmo/Nat omaly, tamin’ny 11 ora maraina, tao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava. Voalaza  fa mila fitoniana mandritra ny fiandrasana ny famoahan’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana ny voka-pifidianana Filoham-pirenena ara-pomba ôfisialy. Maro ny feo mandeha manodidina izany araka ny voalaza sy ireo karazana tsindry atao amin’io Andrim-panjakana io avy amin’ny ankolafin-kery samihafa toy ny Fiarahamonim-pirenena, ny mpanao pôlitika ary misy aza Mpitandro filaminana efa misotro ronono na mbola am-perinasa. Hentitra ny baiko nomena ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny fitandroana ny filaminana izay voalaza fa fahazoan-dalana irery ihany, avy amin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena no manome alalana ny Mpitandro filaminana handray fitenenana tahaka ny fanambarana izay nataon’ny Emmo/Nat.  « Aoka hiandry am-pitoniana sy am-pamendrehana isika rehetra. Tsy ekena ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra, na ankolaka izany na mivantana, na avy ato anatiny na avy any ivelany. Izay filoham-pirenena havoakan’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eo no ho Lehibe faratampon’ny Foloalindahy vaovao, Lehibe faratampon’ny Filankevitry ny Fitsaràna, Lehibe faratampon’ny diplomasia Malagasy ary Lehibe faratampon’ny Mariboninahitra eto amin’ny Firenena », hoy ny fanambarana.

Nasongadina fa Repoblikana daholo ary manaja ny sata repoblikana, demokraty daholo. Ampisehoy ny tandro hasina hampanjakantsika an’izany eo imason’izao tontolo izao. Izay resy, mahaiza resy. Izay ankofafin-kery maharesy, mahaiza migoka an’izany fandresena izany am-pahamendrehana, mba tsy hanafintohina ny hafa fa samy Malagasy isika, iray rà.

Ilaina ny fampiharan-dalana…

Mahakasika ireo manamboninahitra kôlônely anankiroa naiditra am-ponja, mbola tsy voaheloka izy ireny fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana. Manana sata manokana ny miaramila fa amin’ny maha olom-pirenena azy dia misy vesatra amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Marihina fa tsy misy Jeneraly voasambotra, araka ny tsaho aelin’ny sasany.

Mahakasika ny hoe tsy afaka maneho hevitra malalaka ny mpanohitra satria arahin’ny mpitandro filaminana hatrany izy ireo. Tsy manakana izany ny Mpitandro filaminana, saingy hajaina ny lalàna mifehy izany sy ny fotoana. Samy manana ny teti-panorony na ny mpanao politika na ny mpitandro filaminana, tsy fotoanan’ny fihantsiana sy fanaovana Ramatahora izao fa fitrandrahana fitoniana sy fahamendrehana satria izany no mendrika ny vahoaka malagasy, amin’izao ankatoky ny fankalazana ireo fety samihafa hoavy izao. Tsy ao anatin’ny fahasahirana, fotoan’ny maitsoahitra izao no mbola hasiana fanakorontanana na olana hafa. Matoky ny fahendren’ny Malagasy ny Mpitandro filaminana.

Nangonin’i Pierre M.

Fermer