PolitikaSongadim-baovao
FIANDRIANANA AMIN’IREO NOSY MALAGASY: Tsy niova tamin’ny fitakiany i Madagasikara
Taorian’ny fivoriana faharoa an’ny Vaomiera iraisana Madagasikara-Frantsa natao tany Parisy ny 30 jona 2025, dia notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety mba hizarana amin’ny vahoaka malagasy ny vokatra sy ny teboka manan-danja voarakitra ao amin’ny fanambarana iombonana navoakan’ny firenena roa tonta tamin’ny fiafaran’ny fivoriana.
Nohazavain’ireo tao anatin’ny delegasiona malagasy nandray anjara tamin’ny fivoriana faharoa an’ny Vaomiera iraisana Maadagasikara – Frantsa tamin’ny mpanao gazety avokoa omaly ireo teboka manan-danja rehetra tao anatin’ny fifampidinihana sy ny fanambarana iombonana niraisan’ny firenena roa tonta, izay nivoaka ny 3 Jolay teo. Nitondra ny teny sy nitarika ny fotoana Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny delegasiona malagasy izay nandray anjara mivantana tamin’ny dinika natao tany Frantsa. Nohazavain’izy ireo ny votoatin’ireo fangatahana fototra nataon’i Madagasikara: ny fiandrianam-pirenena sy ny fitakiana ara-tantara, ny fiaraha-miasa am-pilaminana, ny fivezivezen’ny mpanjono malagasy, ny fandraisana anjaran’ny mpikaroka, ny fisitrahana ireo antontan-kevitra ara-tsiansa, ary ny fametrahana rafitra iombonana hanaraha-maso ny fandrosoan’ny dinika.
Nambara am-pahibemaso fa fahombiazana tanteraka no azon’ny delegasiona malagasy tamin’ity iraka diplaomatika ity vokatry ny fikarakarana hentitra ary ny fahavononana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny zo ara-tantara, taky ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena.
Fanaovana adisisika
Notsindrian’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy manokana, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany fa anisan’ny fitakiana nataon’ny delegasiona malagasy tany an-toerana ny famelana malalaka ireo mpanjono malagasy hanjono any amin’ny fari-dranomasina manakaiky ireo Nosy ireo, ary koa famelana ireo siantifika hanao fikarohana any amin’ireo Nosy malagasy ireo. Fanamarihana goavana no nataony fa ny fanaovana an’ireo fitakiana ireo dia tsy midika mihitsy fa tsy mitaky ny fiandrianany amin’ireo Nosy ireo intsony i Madagasikara. Fa fifanarahana vonjimaika ihany izany mba tsy hijaly sy ho samborina tsy ara-drariny intsony ireo mpanjono malagasy ireo rehefa manao ny asany.
Mbola nambaran’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy koa fa tsy mbola niova tamin’ny foto-kevitra ijoroany mihitsy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny amin’ny fanaovana adisisika momba ireo Nosy ireo. Ary ny ankolafy malagasy nandritra ny fihaonana dia nanakisaka mihitsy ny adihevitra araka ny lalàna momba ireo Nosy ireo satria ny fanapahana navoakan’ny Firenena mikambana ny taona 1979 sy 1980 dia efa manambara ny maha an’i Madagasikara an’ireo Nosy ireo.




