Fanadihadiana Manokana

FIANGONANA KATOLIKA: Manana hatramin’ny 15 andro hifidianana Papa vaovao

15 hatramin’ny 20 andro aorian’ny fahafatesan’ny Papa no hifidianana indray izay mety ho Papa vaovao. Manana hatramin’ny 15 eo zany sisa ankehitriny ny fiangonana katolika hamoahana indray ny anaran’ny Papa Ray Masina vaovao hitarika ireo mpino katolika maherin’ny 1,4 miliara maneran-tany. Anio no hanatanterahana ny fandevenana ny Papa François.

Ny Papa Ray Masina no atao hoe dimbin’ny Md Piera Apostoly raha eo amin’ny fiangonana katolika. I Papa ihany koa no Evekan’ny Diosezin’i Roma, no sady Filoham-panjakana ao Roma, renivohitr’Italie. Izy no mifehy ny fiangonana katolika manerana an’izao tontolo izao. Izy no tompon’antoka voalohany amin’ny fampiraisana ny fiangonana maneran-tany ho iray. Ny Papa Ray Masina koa dia sady filohan’ny fivondronamben’ny Eveka maneran-tany. Mandidy ireo Vikera romanina eo ambany fahefany izy mba hahatanteraka ny fahafenoan’ny fahefany. Ireo Vikera romanina ireo no antsoina hoe Minisitra any amin’ny tany hafa, ary ireo Vikera ireo no mandrafitra ny Governemanta. “Dikastera” ny anaran’ny Ministera ao anatin’io Fanjakana io. Mavo sy fotsy ny lokon’ny sainan’i Vatican na ilay antsoina hoe “drapeau papale”. Ny Fitondrana ao Vatican dia Fitondrana “Monarchie” na hoe Fitondrana hifandimbiasana. I Vatican dia anisan’ny Fanjakana kely indrindra maneran-tany.

12 taona nitondrana i Papa François

Teo amin’ny taona 30 hatramin’ny taona 33 no niforona ny Papa Ray Masina voalohany. Ny Papa voalohany tamin’izany dia i Md Piera Apostoly. Rehefa maty izy dia nandimby azy ny Papa Lin, avy eo ny Papa Anaclet ary toy izany hatrany. I Papa François no Papa Ray Masina farany teo. Izy no Papa faha-266 taorian’ny Md Piera. Raha ny mombamomba azy, Jorge Mario Bergoglio no anarany. Teraka tamin’ny 17 desambra 1936 tao Buenos Aires-Argentine. Niditra tao amin’ny fikambanana “Jésuite” izy tamin’ny 1958, ary notendrena ho Arsevekan’i Buenos Aires tamin’ny 1998, avy eo Kardinaly tamin’ny 2001. Voafidy ho Papa izy tamin’ny 13 marsa 2013 ka nitondra ny anarana “Papa François”. Izy no Papa “Jésuite” sy Amerikana Latina voalohany. Nandritra ny fitondrany, niavaka izy tamin’ny fitiavana sy fandeferana, niaro ny mahantra sy ny mpifindra monina. Nampiroborobo ny fanavaozana tao Vatican izy. Nanohana ny fiarovana ny tontolo iainana, ary nanome lanja ny vehivavy sy ny fandraisan’anjara amin’ny fiainam-piangonana. Nitsidika firenena maro ihany koa i Papa François ka anisan’izany i Madagasikara. Nanao fivahinianana apostolika teto amintsika nandritra ny 4 andro izy tamin’ny volana septambra 2019. Tato anatin’ny volana maromaro anefa, nisedra fahasahiranana ara-pahasalamana ny Papa François. Nibahana tamin’ireo aretina nahazo azy ny aretin’ny avokavoka ka nitarika hatramin’ny fahafatesany na dia vao avy nivoaka hopitaly aza izy tamin’ny volana marsa lasa teo. Ny alatsinainy taorian’ny Paska teo, tamin’ny 21 aprily 2025, no nodimandry ny Papa François teo amin’ny faha-88 ny taonany.

Tsy misy fandraisana fanapahan-kevitra lehibe…

Anio 26 aprily 2025, araka izany, no andro voatokana hanatanterahana ny fandevenana ny Papa François. Halevina ao amin’ny “Basilique Sainte Marie Majeure” ny nofo mangatsiakany. Anisan’ireo misolotena ny fiangonana katolika eto Madagasikara any an-toerana ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina. Miaraka amin’ny Mgr Fabien Raharilamboniaina izay filohan’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Fantatra fa hanatrika any Roma ihany koa anio ny Filoha Andry Rajoelina.

Amin’ny ankapobeny, misy ny fombafomba atao eo anivon’ny eglizy katolika rehefa maty toy izao ny Papa. Mandritra ny fahafantarana fa maty izy dia dingana voalohany atao ny fanamafisana fa nodimandry tokoa izy. Ny mahazatra, dia ny « Camerlengue » no manao izany, izay mikasika ny handrin’ny Papa amin’ny tanany ary miantso ny anara-Batemin’ny Papa in-telo. Natsahatra anefa io fomba io, ary ankehitriny ny mpitsabo ihany manao fanamafisana fa nodimandry tokoa ny Papa. Ny “Carmelengue” kosa no manao ny fanambarana voalohany ny nahafatesany amin’ny olona rehetra. Rehefa voamarina ny fahafatesany, ny Camerlengue dia manisy tombokase ny tranon’ny Papa sy ny biraony.  Ity hetsika ity dia maneho ny fiafaran’ny fitondran’ny Papa ary manampy amin’ny fisorohana izay mety ho fandrobana na fidirana tsy nahazoana alalana amin’ny fananan’ny Papa ao an-tranony. Aorian’izay ny fikarakarana ny vata mangatsika sy ny fanehoana ampahibemaso ny Papa nodimandry, mba hahafahan’ny olona rehetra manome voninahitra azy sy mivavaka ho an’ny fanahiny. Rehefa vita ireo dingana ireo dia manomboka ny vanim-potoana fisaonana maharitra 9 andro. Mandritra izany fotoana izany dia misy lamesa maro atao ho fanomezam-boninahitra ny Papa izay nodimandry. Misaona ny Eglizy maneran-tany noho ny fahalasan’ny Papa iray. 4 hatramin’ny 6 Andro aorian’ny fahafatesana kosa ny fandevenana. Anio no hanatanterahana izany ho an’i Papa François.

Manomboka hatramin’ny nahafatesan’ny Papa, tsy misy fanapahan-kevitra lehibe azo raisina raha tsy misy Papa vaovao. Io ilay vanim-potoana antsoina hoe “interregnum”.  Ny Camerlengue sy ny fivondronan’ny Kardinaly no mitantana mandritra io fotoana io saingy tsy mandray fanapahan-kevitra lehibe mahakasika ny fitantanana ny Eglizy.

 

Hiroso amin’ny fifidianana Papa vaovao

Mandritra ny “Conclave” no hifidianana  ny Papa vaovao. Atao eo amin’ny 15 hatramin’ny 20 andro aorian’ny nahafatesan’ny Papa teo aloha izany. Izany hoe manana 15 eo ankehitriny, raha betsaka, ny fiangonana katolika hametrahana indray izay ho mpitarika ireo mpino maherin’ny 1,4 miliara maneran-tany. Ny Kardinaly latsaky ny 80 taona ihany no mahazo mifidy amin’ny fivoriana miafina atao ao amin’ny Chapelle Sistine, mandra-pahazoan’ny kandidà iray ny 2/3 ny vatom-pifidianana. Tsara ny manamarika fa hisy famantarana alefa aorian’ny fifidianana ataon’ireo Kardinaly afaka mifidy ireo toy nyfandoroana vatom-pifidianana miaraka amin’ny setroka famantarana. Setroka mainty raha mbola tsy misy Papa voafidy. Setroka fotsy kosa no miseho rehefa mahazo Papa Vaovao ny Eglizy.  Vita izany dia misafidy ny anarana ho entiny ny Papa ary aseho amin’ny mpino rehetra eo amin’ny Basilikan’i Md Piera.

Ho an’ny Kardinaly Tsarahazana dia hitohy amin’ny fandraisana anjara amin’io fivorian’ireo Kardinaly sy ny Conclave io ny fivahinianany any Roma. Sambany no handray anjara amin’izany Conclave izany ny Arsevekan’i Toamasina. Izy no Malagasy fahatelo handray anjara amin’izany fifidianana Papa izany taorian’ny Kardinaly Victor Razafimahatratra sy ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra. Tsy hiverina izy raha tsy vita izay fifidianana izay.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer