Songadim-baovaoSosialy

FIANTOHANA EO AMIN’NY TONTOLON’NY ASA Nisy ny fanofanana ireo solontenan’ny mpiasa sy mpampiasa

Ny fiantohana amin’ny lafiny maro ny mpiasa dia miankina amin’ny maha ara-dalàna ny sehatry ny asa. Mbola misedra olana hatramin’izao ny mpiasa sy mpampiasa eto Madagasikara, eo amin’ny lafiny fiantohana, izany indrindra no antony nanatanterahan’ny OIT sy ny minisiteran’ny Asa fampiofanana azy ireo, hampanara-dalàna ny orinasa sy hananan’ireo mpiasa fiantohana, amin’izao covid-19 mbola eto izao…

Ny vokatry ny covid-19 sy ny tsy mbola maha ara-dalàna ny fiantohana ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa no antony nisian’ny fanofanana ireo solontenan’ny mpiasa sy mpampiasa tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, izay notanterahan’ny Organisation International de Travail (OIT) sy ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa, ny Asam-panjakana, ary ny lalàna sosialy. Roa taona teo mantsy izay no nisian’ny covid-19 teto Madagasikara, izay nisy fiantraikany teo amin’ny tontolon’ny asa teto amintsika. Fantatra avy amin’izany, fa maherin’ny 2 tapitrisa ireo mpiasa tsy nisitraka ny zo harovana ara-pahasalamana sy fiarovana eo am-panatanterahana ny asa, ka anton’io fanofanana natao io, izay nanavaozan’ny OIT ireo paikady sendikalin’ny mpiasa, ho fiarovana azy ireo eo amin’ny aroloza sy fiarovana ara-pahasalamana. Namafisin’ny minisitra Ranampy Gisèle, fa « anjaran’ny minisitera mihitsy ny manainga ny mpampiasa hiditra amin’ireny fandrindrana ara-pahasalamana iraisan’ny orinasa ireny, ho fitsinjovana ny mpiasa sy ny ankohonany. Misy ireo tara amin’izany, saingy mitohy ny fampahafantarana mialohan’ny fanasaziana ». Fantatra, fa anjara asan’ireo mpanao fisafoana sy mpijirika asa no manentana ireo mpampiasa amin’ny sehatra rehetra, hisitrahan’ny mpiasa ny zony eo amin’ny ara-tsosialy izay. Efa misy koa ny sazy ho an’ireo orinasa tsy manatanteraka izany. Araka izany, omena fiofanana manokana ireo vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa, izay tafiditra indrindra anatin’ny tetikasa « Vision Zéro Founds » avy amin’ny OIT mamaly ny fangataahan’ireo sendika, ary hafantoka amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa amin’ny aroloza sy ny ara-pahasalamana, manoloana ny mbola fisian’ny covid-19 ihany koa.

Fermer