Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIARA “4×4 HYUNDAI” NANDONA “CLIO” TENY BY-PASS: Telo mianaka miampy lehilahy iray hafa namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga teny By-pass, akaikin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny Alarobia 30 aprily teo, tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina. Olona efatra no maty, telo mianaka miampy lehilahy iray hafa. Iray hafa kosa, mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ireto farany, izay samy tao anaty fiara “Clio”. Raha ny tranga nisy teny an-toerana, lehilahy iray teratany Sinoa no nitondra fiara tsy mataho-dalana marika “Hyundai i30” miloko mena, avy any Iavoloha hizotra mianavaratra nanaraka ny By-pass. Nangalatra sy nanery ny an-kaviany izy tamin’izany, raha ny voalazan’ny nanatri-maso, no sady nandeha mafy nikasa hisongona ny teo alohany. Tsy nahafehy ny familiany intsony anefa, ity farany, ka nifanehitra mivantana avy hatrany tamina fiara kely marika “Clio” miloko mena teo anoloany. Mafy dia mafy ny dona ka nanimba sy nampiodina ilay fiara “Clio”. Nandona fiara tsy mataho-dalana marika “Jimny” taoriany izy avy eo. Vokany, potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay fiara “Clio”, ary maty teo noho eo ny mpamiliny, dia Raim-pianakaviana.

Nisesy ny fahafatesan’izy telo mianaka

Ity farany, izay niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany vavy 13 taona, tao anaty fiara, miampy lehilahy miisa roa. Ilay renim-pianakaviana tsy tonga teny amin’ny hopitaly dia nanary aina ka maty, ilay zanany vavy teny amin’ny hopitaly no namoy ny ainy, niaraka tamina lehilahy iray tafaraka fiara tamin’izy ireo. Lehilahy iray hafa tao ihany koa naratra mafy, ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana. Fantatra, fa lalan’ny hanatitra ny lehilahy iray naman’io Raim-pianakaviana io teny Iavoloha, no dian’ity fiara “Clio”, ary izao izy tra-doza izao. Ny fiara nentin’ilay teratany sinoa latsaka tany an-tanimbary, saingy rehefa tafavoaka tao ity farany, dia nanita-tsaina nandositra. Hitan’ny fokonolona sy ny Polisy izany ka nifanenjehina. Tsy lavitra teo dia tratra ny anao lahy, ary nentina natao andrimaso teny amin’ny biraon’ny Polisy Imerimanjaka. Omaly tolakandro vao tafiala teny amin’ny tranom-paty ny razan’izy telo mianaka, notsenain’ny fokonolona marobe. Mitaky ny rariny mikasika ny famotorana sy ny fitsarana ity raharaha lozam-pifamoivoizana teny By-pass ity, ny fianakavian’ny maty.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer