PolitikaSongadim-baovao
FIARAHA-MIASA AMIN’I SLOVENIE : Notokanana ny sekoly vaovao eny amin’ny Akamasoa
Nanamarika ny andro faharoan’ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Slovénie teto Madagasikara omaly ny fitokanana ny Sekoly ambaratonga fototra Bemasoandro eny amin’ny Akamasoa. Niara-dalana taminy teny an-toerana ny Filoha malagasy Andry Rajoelina, teo koa ny Mopera Pedro. Marihina fa mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 1 300 ity fotodrafitrasa vaovao ity.
« Isaky ny mandray vahiny isika dia tsy maintsy mitsidika eto amin’ny Akamasoa. Satria eto no ohatra velona amin’ny fifanampiana amin’ny fampianarana fanabeazana ary amin’ny fanamafisana ny finoana. Izay no nahatonga antsika tamin’ny Papa Fransoa tonga teto, dia anisan’ny tao anaty fandaharam-potoany, ny nitsidika Akamasoa », hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly tetsy amin’ny Akamasoa. Nambarany fa tsy tonga tanam-polo fa tonga hitokana sekoly ho an’ny ankizy rehetra ao amin’ny Akamasoa, miaraka amin’izao fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filohampirenena Slovene izao, Natasa Pirc. Ny fitsidihana ara-panjakana, dia isan’ny lanonana manetriketrika avo indrindra, amin’ny fifanakalozana firenena roa. Midika fifampitokisana sy fitoviana vina sy fanomezan-tanana izany fitsidihana ara-pomba ofisialy, ara-panjakana izany. Nasongadin’ny Filoha nandritra ny kabariny fa « ankizy manana toe-tsaina madio, fo madio, ary dia na ao anaty fahasahiranana aza. Hita eny amin’ny endrikareo ny hafaliana, fa indrindra ny hasambarana. Koa maniry soa anareo hatrany, mba hahazo fahasalamana, mba hitombo fahalalana, mba ho tafita soa aman-tsara amin’ny fiainana ianareo ankizy tsirairay avy ».
Nambaran’ny Mompera Pedro, fa 96% ny taham-pahafahan’ny CEPE. Ny salanisan’ny fahafahana fanadinana bakalorea, dia tena mampitolagaga ny rehetra, satria, 97% ny taham-pahafahana tao amin’ny Akamasoa. Midika izany fa tena mahay sy mamiratra ny ankizy ao amin’ny Akamasoa. Izany rehetra izany dia anisan’ny manamarika izao fotoana izao, hoy ny Filoha, ary nisaorana manokana ny Filohan’i Slovénie, amin’ny alalan’ny firenena sloveniana, momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, izay manamarika ny fanaovana ny asa tao amin’ny Akamasoa, indrindra ny fananganana sekoly goavana tao an-toerana. Satria ilaina tokoa, ny hananan’ny ankizy toeram-pianarana lehibe ary manaraka ny fenitra, mba hahafaha-mampitombo ny fahalalana sy ny fahaizana. Koa nisaorana manokana ny filoham-pirenen’i Slovénie.
Angady nananana ny Mompera Pedro
Mompera Pedro, no angady nananana sy vy nahitana, ray mpiahy ny Akamasoa, nanomboka tamin’ny 1989. Nandritra ny 36 taona, dia vavolombelon’ny fitiavana, ny Mompera Pedro. Ny fahombiazana amin’ny fitaizana, amin’ny fikolokoloana na ara-panahy na ara-pahaizana an’ireo ankizy beazina ao. Nambaran’ny Filoha, fa raha ohatran’ny eo amin’ny Akamasoa sy Mompera Pedro ny fampianarana rehetra eto Madagasikara, dia ho resintsika ny fahantrana. Tena manana fitsipi-pifehezana ny ankizy ao amin’ny Akamasoa. Hita fa tena navitrika na amin’ny resaka dihy, na amin’ny resaka fahiratan-tsaina ny ankizy rehetra ao amin’ny Akamasoa.
Ankehitriny, zavatra goavana no hita satria mihoatra ny 500 000 ny Malagasy efa nandalo tao amin’ny Akamasoa. Toeram-ponenana miisa 4144 no miorina manodidina an’Andralanitra ankehitriny. Tanàna goavana sady tanàn-dehibe izany Akamasoa izany, izay ahitana ambaratonga fototra, Kolejy, Lisea, Oniversite, toeram-pitsaboana sy fiterahana. Tanàna kely izay mamiratra amin’izany fivoarana izany ny ao amin’ny Akamasoa. Tsy eto Antananarivo ihany ny Akamasoa fa hatrany Nosy-Varika, Taolagnaro, Vangaindrano hatrany Beloha ny Akamasoa. Mendri-piderana, mendrika tohanana, mendrika ampiana ny ezaka rehetra ataon’ny Mompera Pedro.
Rado Harivelo




