Songadim-baovao

FIARAHA-MIASA : Miverina ny fitokisan’ny olom-pirenena ny Zandarimaria

Nandritra ny fanolorana galona ireo manamboninahitra zandary miisa 10, ny zoma lasa teo, no nanambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard fa niverina ny voninahitra sy ny hasin’ny Zandarimaria. Mihatsara koa ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin'ny samy tomponandraiki-panjakana. Hatramin’ny iraisam-pirenena aza nankasitraka ny ezaka tanterahin’ny Zandary…

Manantena vokatra tsara avy amin’ireto Jeneraly ireto ny Firenena.

Notanterahina ny zoma lasa teo, ny fanolorana galona ireo zandary miisa 10, izay jeneraly kintana telo sy kintana roa, taorian’ny filankevitry ny minisitra. « Mendrika ianareo matoa nasondrotra amin’ny laharam-boninahitra Jeneraly misy anareo », hoy ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, tamin’izy 10 mirahalahy. Azo tsoahina nandritra izao lanonana izao koa ny fiverenan’ny voninahitra sy ny hasin’ny Zandarimaria. Porofon’izany, hoy ny Seg, fa maro ireo minisitera mangataka manamboninahitra zandary hitazona andraikitra ambony any aminy. Tsy misy intsony na efa vitsy ireo tsikera ratsy momba ny Zandarimaria na ireo Zandary ataon’ireo olom-boafidy eny amin’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona. Mihatsara koa ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny samy tomponandraikitra. Maro ny fankasitrahana na fankaherezana voaray na avy amin’ny olon-tsotra na avy amin’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny Firenena. Isan’ireo nankasitraka ny fomba fiasan’ny Zandarimaria ireo masoivoho avy amina Firenena maromaro, momba ny ezaka mahakasika ny ady atao amin’ny fakàna an-keriny. Hatramin’ny iraisampirenena, dia mankasitraka ny ezaka tanterahin’ny Zandary momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Isan’ireny ny Firenena frantsay, sy ny Indiana. Eo amin’ny asam-panjakana, anisan’ireo nahazo ny  laharana voalohany momba ny ady amin’ny kolikoly ny zandarimariam-pirenena tany Mahajanga.

Hatramin’ny Iraisampirenena nankasitraka ny ezaky ny Zandarimaria.

Farany teo aza, nisy Minisitra nitondra tolo-tanana ho an’ny fianakavian’ireo zandary lavo teny am-panatanterahana ny asany, izay manao ny ainy tsy ho zavatra, ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Tsy nohadinoin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny nisaotra azy ireo. Nanamafy moa izy sy ny Jeneraly kaomandin’ny Zandarimaria fa matoa nomena galona izy ireo, dia ho entiny miasa izany ary manantena vokatra tsara sy betsaka avy amin’izy ireo ny vahoaka sy ny Fitondram-panjakana.

Fermer