Songadim-baovaoToekarena

FIARAHAMIASA : Nanolotra 5 Tapitrisa Euro ho an’i Madagasikara ny AFD

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta malagasy sy frantsay amin’ny alalan’ny Agence Française de Développement ( AFD).  Notanterahina omaly mantsy ny fifanaovan-tsonia ho fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny famatsiam-bola tsy averina mitentina 5 tapitrisa euro. Fifanarahana izay mikendry ny hanamafisana ny fahamarinan-toerana ara-toekarena ao amin’ny firenena sy hanohana ireo sehatra manan-danja sy hamaha ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Nanamafy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo fa ity fanampiana ity dia ahafahan’i Madagasikara manolotra vahaolana maika amin’ny olana ara-pahasalamana sy ny fiarovana ara-tsakafo. Naneho ihany koa izy ny fankasitrahany AFD, izay nanao anjara toerana lehibe tamin’ny fanatanterahana ity fanohanana ity.

Marihana fa nanome voninahitra ity fotoana ity moa ny Minisitra frantsay misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny frankôfonia, andriamatoa Thani Mohamed Andriamatoa Thani Mohamed Soilihi, ny Minisitry ny fahasalamana, ny Profesora Randriamanantany Zely Arivelo, ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, Ramatoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny Ambasadaoron’I Frantsa eto Madagasikara, andriamatoa Arnaud Guillois.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer