KolontsainaSongadim-baovao
FIARAHAMIASAN’NY FANJAKANA SY NY TSY MIANKINA: Mihamahazo vahana ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy
Fanavaozana maro no nentin’ny Minisitera ho fampivoarana ny sehatry ny sarimihetsika malagasy. Isan’izany ny fanovàna ny rafitra mitantana ny sarimehitsika malagasy, teo koa ny fampiofanana ireo mpisehatra andiany voalohany tamin’ny taona 2022, ka mpilalao, mpanoratra, mpamokatra, sy mpanatontosa horonantsary miisa 127 no nofanina nandritra ny 6 volana. Nisy koa ny mpamokatra miisa 13 izay nomena tohana ara-bola. Hitohy amin’ity taona ity izany fandaharanasa izany.
“Ny tanjona dia mba hiha-matihanina hatrany ny sarimihetsika malagasy ka ho afaka mampihodina araka ny tokony ho izy ny indostrian’ny sarimihetsika, ho afa-mifaninana amin’ny eto an-toerana sy ny aty amin’ny ranomasimbe indiana ary ny firenena afrikana hafa”, araka ny fanazavan’ny Minisitera.
« Novegasy Awards 2023 »
Amin’ity taona ity, tonga eo amin’ny andiany fahatelo sahady ny fanomezana mari-pankasitrahana isan-taona ireo mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy, dia ny « Novegasy Awards ». Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo moa no reny mpiahy ny fahitalavitra « Novegasy » ao anatin’ny « Bouquet Canal + » nanomboka hatrany am-piandohany ny taona 2020. Aorian’ny fahitalavitra TVM dia ny Novegasy no be mpanaraka faharoa ao anatin’ny Canal+ manerana an’i Madagasikara.
Tontosa afak’omaly hariva teo amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny lanonana « Novegasy Awards 2023 », nanolorana ny loka ho an’ireo nisongadina indrindra ny taona 2022, sokajy « tantara be mpijery indrindra », « tantara mendrika indrindra », « mpilalao vehivavy mendrika indrindra », « mpilalao lehilahy mendrika indrindra », « mpilalao mahatsikaiky indrindra », ary ny « mpilalao masiaka indrindra ».



