PolitikaSongadim-baovao

FIARAHAMONIN’NY MPANATOBY FANAFODY SY FARMASIA Notsinjovin’ny Solombavambahoaka ny fijalian’ireo Kaominina lavitra toeram-pivarotam-panafody

Na dia niteraka resa-be teo aloha, aza, ny resaka momba ny fanatobiana fanafody (dépôt de médicament) nisy hatramin’izay teto, manoloana ny fisiana farmasia, dia notapahan’ny teo anivon’ny Antenimierampirenena, fa afaka miara-monina tsara izy ireo ho fitsinjovana ny Kaominina any ambanivohitra lavitra farmasia.  

Mba nisian’ny fifanakalozan-kevitra bebe kokoa tamin’izany, dia naverina nodinihina tao anaty asam-baomieran’ity Antenimiera ity, sy tao anaty fivoriambe ny tolo-dalàna avy amin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Morafenobe, Voninahitsy Jean Eugène. Tolo-dalàna laharana faha 003-2021/PL « modifiant et complétant certaines dispositions de la Loi n°2011-002 du 15 juillet 2011 portant Code de la Santé », izay nifanindran-dalana tanteraka tamin’ny hetahetan’ireo mpanatoby fanafody matihanina eran’ny Madagasikara. Nolanian’ireo Depiote, araka izany, io tolo-dalàna io, omaly alarobia 15 desambra 2021, izay mametraka ny lamina eo amin’ireo farmasia sy mpanatoby fanafody (dépositaire de médicaments) sy ny fepetra hahafahan’ireto farany manohy ny asa fivarotany fanafody. Nambaran’ireo Solombavambahoaka fa tsapan’izy ireo ny fijaliana any amin’ny kaominina ambanivohitra lavitra izay tsy misy farmasia, ka ny « dépôt de médicaments » no manavotra ny mponina. Mamaha olana ny any ambanivohitra sy ny toerana lavitra fivarotam-panafody, araka izany, ny fisian’ireo toerana fanatobiana fanafody ireo.

Nolanian’ireo Depiote ilay tolo-dalàna avy amin’ny Solombavambahoaka Voninahitsy Jean Eugène, izay nifanindran-dalana tamin’ny hetahetan’ireo mpanatoby fanafody

Iray tarigetra, nangataka ny handaniana ny tolo-dalàna…

Fa nirian’ireo vondron’ny « dépôt de médicament », ary nangatahany sy nanaovany antso avo holanian’ireo Solombavambahoaka io tolo-dalàna io. Nambaran’izy ireo fa tolo-dalàna mikasika mivantana ny fiainam-bahoaka ny tolo-dalàna avy amin’io Depioten’i Morafenobe io, ary ireo mpanatoby fanafody any ambanivohitra sy an-dRenivohitra dia samy niandrandra avokoa io fahalaniana io, izay mahakasika indrindra ny fahasalamam-bahoaka. Anisany zava-dehibe anatin’io tolo-dalàna io, raha ny fantatra dia ireo toerana fanatobiana rehetra misy amina toerana iray dia tokony ho afaka manohy ny asa fivarotany, raha misy fidiran’ny farmasia eo an-toerana. Nambaran’ny Filohan’ny Vondron’ireo mpanatoby fanafody matihanina eto Madagasikara, Razafimanantsoa Nandrianina, fa « miandry toerana fotsiny ihany ny « dépôt » hatramin’izay, na dia efa teo aza izy nanome tolotra ho an’ny fahasalamam-bahoaka hatramin’ny ela. Fiarahamonina, araka izany, no nangatahanay, izay nifanandrify tanteraka tamin’ity tolo-dalàna ity ». Nambaran’ity farany, fa tsy misy olana ny fiarahamonina amin’ny farmasiana, satria izy ireo izay mitondra tolotra tsaratsara kokoa ho an’ny vahoaka. Mivelatra kokoa ny farmasia amin’ny fanafody azo hamidy, raha misy fanafody tsy azon’ny mpanatoby hamidy, saingy voalaza fa tsara kokoa ny tolotra azon’ny vahoaka eo amin’izay fiarahamonina izay. « Ekena fa tsy mitovy zo ny dépôt sy ny farmasia, satria izy ireo no tena matihanina, saingy manana zo fototra ny dépôt, izay angatahana ny fiaraha-mipetraka handrindra ny fiarahamonin’ny vahoaka eo anatrehan’ny lafiny ara-pahasalamana », nanampy fanazavana ny filohan’ny depot de medicament.

Fermer