KolontsainaSongadim-baovao
FIAROVANA HAREMBAKOKA: Hiara-hiasa ny “INTERPOL” sy ny Borigady miady amin’ny Hosoka (BAP)
Dingana lehibe amin’ny fiarovana sy ny fitadiavana ireo Harembakoka very ny fiarahamiasan’ny Borigady miady amin’ny Hosoka (BAP) amin’ny “Interpol”. Afaka miditra amin'ny rindrambaiko mizara torohay mikasika ny vakoka ara-kolontsaina miparitaka eran'izao tontolo izao i Madagasikara manomboka izao. Raha toa ka misy trangana fahaverezana harembakoka, toy ny trangana fahaverezan’ny Satroboninahi-dRanavalona fahatelo, dia fikarohana iraisampirenena avy hatrany no atao.
Azo irosoana avy hatrany ny fanaovana fikarohana iraisampirenena manoloana ireo trangana fahaverezana Harembakoka eto Madagasikara manomboka izao, vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ny Borigady miady amin’ny Hosoka (BAP) sy ny “Interpol”, izay vita sonia omaly. Ny “Interpol” izay tambajotra miady amin’ny heloka iraisana firenena. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, dia matetika fanondranana iraisana firenena ireo trangana fahaverezana harembakoka miseho anatina mozea na tranombakoka iray. “Manomboka izao isika dia tafiditra ao amin’ny tambajotran’ny Interpol koa. Raha ohatra ka misy vakoka very manomboka izao, na eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, na eny Andafiavaratra, na eny Ambohimanga, na any amin’ny toeran-kafa, dia avy hatrany dia azo ampahafantarina ao amin’ilay rindram-baiko, dia tonga dia fikarohana iraisampirenena avy hatrany no atao”, hoy ny fanazavana. Notsiahiviny tamin’izany ny fahaverezan’ny Satroboninahi-dRanavalona fahatelo izay very, taona vitsivitsy lasa izay, izay tsy nahafahantsika nanao ny fanarahana azy teo amin’ny sehatra iraisampirenena noho ny mbola tsy fisian’ity fifanarahana ity.
Hosoka amin’ny endriny nomerika
Etsy ankilany, mitohy amin’ny asany mahazatra ny BAP amin’ny fanenjehana eny an-kianja ireo Hosoka sy Piraty. Hiova endrika kosa izany manomboka izao, satria niova endrika koa ilay hosoka, hoy ny Minisitra. “Teo aloha ny CD no hampitomboina maro be, ankehitriny amin’ny alalan’ny “Clé USB” fotsiny no alaina ny hira, na amin’ny alalan’ny haitao ara-kajimirindra”, hoy izy. Hametraka paikady mifanaraka amin’izay, araka izany, ny BAP, izay tsy afaka hijanona amin’ny fanenjehana CD fotsiny intsony, fa hiditra amin’ny famongorana ny fanaovana hosoka amin’ny endriny nomerika. Eo koa ny fanaovana hosoka amin’ny boky na ny fanaovana dika mitovy.
87 ireo mpanao hosoka voasambotra
Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny famaizana ireo mpanao hosoka, izay miainga amin’ny famonjana vonjimaika, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo hatrany. Tao anatin’ny taom-piasana 2021-2022, miisa 87 ireo mpanao hosoka voasambotra, ary miisa 17 kosa, ireo mpandroba ny harem-bakoka tra-tehaka. Manodidina ny 13 243 ny isan’ireo kapila mangirana hosoka tratra, raha toa ka miisa 240 kosa, ny isan’ny boky vita dika mitovy.
Anisan’ny tafiditra amin’ny mpanao hosoka ireo olona mpampiditra hira sy sarimihetsika, ary ireo mpandroba ny harem-bakoka, izay tsy nahazo alalana. Antony mahatonga izany ny fakany ny zavakanto amin’ny sarany ambany na ihany koa maimaimpoana ary ny famerenana ny fivarotana izany. Ho an’ny boky kosa, misy ireo maka sary na manao dika mitovy ary manova azy ho « PDF ».
Notanterahina omaly, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny BAP, tarihin’ny Commissaire Principal de Police Rarivomanantsoa Eddie, sy ny Interpol tamin’ny alalan’ny lehiben’ny birao foibe nasionaly, ny Commissaire divisionnaire de police Jean-Rostand Rabialahy.




