Fanadihadiana Manokana
FIAROVANA IREO KARAZANJAVAMANANAINA: Antoka amin’ny fahombiazan’ny paikady ny fitsinjovana ireo vahoaka eny ifotony
Ho fikajiana ireo karazanjavamananaina maro hananan’i Madagasikara dia ampiroboroboana hatrany ny fiarovana azy ireo. Anisan’ny atao laharam-pahamehana ao anatin’ny paikady ho fampiharana izany ny fitsinjovana ireo vahoaka eny ifotony. Ny fampisitrahana tombontsoa azy ireo no antoka hampaharitra ny fiarovana.
Antsoina hoe karazanjavamananaina na ihany koa “Biodiversité” ny fitambaran’ireo biby sy zavamaniry samihafa, monina sy maniry any anaty ala. Any amin’ireo valanjavaboary sy faritra arovana, araka izany, no tena ahitana ireo karazanjavamananaina. Izany hoe, any anatin’ireo valanjavaboary sy faritra arovana miisa 125 miparitaka manerana ny Nosy izay mitotaly eo amin’ny 8 tapitrisa hektara eo. Manan-danja ho an’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiarovana ireo karazanjavamananaina. Izy ireny mantsy no miantoka ny sakafontsika, ny tanintsika, ny ranontsika, ny toetrandro, ny rivotra iainana, hatramin’ny fampiodinana ny fiainana andavanandro.
Anisan’ny ahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fananantsika karazanjavamananaina miavaka sy mahasarika. Ny 5%-n’ireo karazanjavamananaina rehetra misy maneran-tany dia tsy fahita raha tsy eto Madagasikara avokoa. Ohatra akaiky amin’izany ireo biby antsoina hoe “Indry Indry”, ireo karazan-tsokatra miisa dimy izay samy tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, ny hazo Baobab, sy ireo maro hafa. Ireo ilay antsoina hoe “espèces endémiques” ka sokajiana ho haren’ny firenena. Araka ny antontanisa farany dia miisa 14 000 ireo karazana zavamaniry misy eto amin’ny Nosintsika. Manana karazana Varika miisa 100 ihany koa i Madagasikara ka tsy fahita raha tsy eto Madagasikara irery ihany ireo karazany 100 ireo. Mahakasika ny vorona indray dia miisa 300 mahery ny karazany hananan’i Madagasikara. Maherin’ny 100 amin’ireo no tsy hita n’aiza n’aiza fa mampiavaka manokana an’i Madagasikara.
Mitaky fiarovana maharitra
Mendrika ny harovana sy hohitan’ny taranaka any afara, araka izany, ireo karazanjavamananaina maro hananan’i Madagasikara ireo. Mitaky fiarovana maharitra ny fampiharana izany. Sakana tsy hahafahana manatontosa 100% ny fiarovana anefa ny fisian’ireo tsindry maro mihatra amin’ireo karazanjavamananaina. Tsindry lehibe voalohany ny fisian’ny fiovaovan’ny toetrandro. Maro amin’ireo biby sy zavamaniry no tsy mahazaka ny fiantraikan’izay fiovan’ny toetrandro izay. Noho ireo rivodoza mahery vaika ateraky ny fiovan’ny toetrandro dia simba ny toeram-ponenan’ireo biby sy ny toerana misy zavamaniry. Ankoatra io dia tsindry hafa ihany koa ny vokatry ny asan’ny zanak’olombelona. Izany hoe ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harena voajanahary, ny doro ala sy tavy ary ny doro tanety.
Tsara ny manamarika fa marihana isaky ny datin’ny 22 mey ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina. Ho fanentanana ny mponina mahakasika ny zavatsoa entin’ny karazanjavamananaina sy ho fialana amin’ireo tsindry avy amin’ny zanak’olombelona dia notanterahana tamin’ny 28 sy 29 mey lasa teo teny amin’ny Kianja Barea ny hetsika “Foara ho an’ny Karazanjavamananaina”. Zava-dehibe ny fanatanterahana io hetsika io, hoy ny fanazavana nentin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) Rasamoelina Moïse. Hahafahana misintona ny sain’ny tsirairay manolona ny tokony hanamafisana ny fandraisan’andraikitra amin’ny natiora sy ny karazanjavamananaina izany, hoy ny nambarany. “Mila mijery fomba hahafahan’ny tsirairay miaina mirindra manaraka izany fanarenana ny natiora izany isika”.
Laharam-pahamehana ny fitadiavana famatsiam-bola
Tsy misy afa-tsy ny fanamafisana ny fiarovana eny ifotony, araka izany, no vahaolana mahomby amin’ny fikajiana ireo karazanjavamananaina. Ho fampiharana izany dia paikady ampiharin’ny MEDD ny fanamafisana ireo hetsika tanterahana eny an-kianja. Izany hoe ny fampandraisana andraikitra sy anjara ireo vahoaka eny ifotony. Ao anatin’izany dia mila atao laharam-pahamehana ny fanomezana ny tombontsoa tokony ho azon’ireo vahoaka eny ifotony ireo rehefa hiaro ny karazanjavamananaina izy ireo. Ny fanatanterahana izany dia mandrisika ireo vahoaka ireo amin’ny fiarovana, ary ihany koa misoroka ny mety ho fanimbana rehefa tojo tsy fahampiana izy ireo. “Mila jerena ny tombontsoa azon’ireo vahoaka eny ifotony raha tsy izany tsy hahomby mihitsy ny paikady”, hoy hatrany ny Sekretera Jeneraly.
Ho fampiharana ireo paikady ireo anefa dia tsy maintsy faritana ny famatsiam-bola ho fiarovana ireo karazanjavamananaina. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Ministera ny fampitomboana hatrany io famatsiam-bola io. Tanjona hapetraka ny hoe tsy miankin-doha fotsiny ihany amin’ireo fanampiana avy any ivelany fa mila mijery vahaolana eto amin’ny firenena. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia nahafahantsika nisitraka 39 Miliara Ariary ny tetibola avy amin’ny “credit carbone”. Nampiasaina tamin’ny fiarovana ireo faritra arovana izany izay toeram-ponenan’ireo karazanjavamananaina. Nohazavain’ny tompon’andraikitra fa manatsara hatrany io rafitra Karbona io ny Ministera hahafahana mampitombo ny famatsiam-bola. Ohatra amin’izay fanatsarana izay ny fitadiavana famatsiam-bola vaovao amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fiarovana ny Gidro. Rehefa voaaro ireo biby ireo dia voakajy manaraka izany ihany koa ny toeram-ponenany. Izany hoe fametrahana famatsiam-bola vaovao hahafahana miala amin’ny fiankina-doha amin’ireo famatsiana avy any ivelany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




