Songadim-baovao
FIAROVANA IREO VARIRA : 80 hatramin’ny 100 isan-taona ireo mpaka an-keriny nosamborina
Manodidina ny 80 ka hatramin’ny 100 isan-taona ireo mpaka an-keriny varira nosamborina, raha ny nambaran’ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, Talen’ny fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, omaly. Vao ny farany herinandro lasa teo, tratran’ny vela-pandriky ny zandary ny lehilahy iray nikasa hivarotra zaza varira miisa roa, tao amin’ny Kaominina Beraketa, anatin’ny distrikan’i Bekily. Fanadihadiana…

Maro ireo ambana manjo ireo olona varira ankehitriny ! Na izany aza, misy ny ezaka tanterahin’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Zandarimariam-pirenena momba ny fiatrehana izay ady izay. Nambaran’ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, Talen’ny fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena omaly, fa manodidina ny 80 hatramin’ny 100 isan-taona ireo mpaka an-keriny voasambotry ny Zandary, momba ity resaka varira ity. Mitohy hatrany ny ezaka fiarovana ireo Varira tanterahin’ny Zandarimariam-pirenena. Vao ny farany herinandro lasa teo, tratran’ny vela-pandriky ny zandary ny lehilahy iray nikasa hivarotra zaza varira miisa roa, tao amin’ny Kaominina Beraketa, anatin’ny distrikan’i Bekily. Araka ny angom-baovao, nahazo hafatra izy ireo, mikasika fitadiavana olona hividy zaza varira ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Androy, manao fisafoana ao Beraketa. Natao ny vela-pandrika ka voasambotra i Refony, monina ao Amboahangy, fokontany Ambalasaraka, Kaominina ambanivohitra Beraketa, disrikan’i Bekily. ity farany, izay naniraka, lehilahy iray monina ao Kananavy, fokontany Ampandrandava, Kaominina ambanivohitra Beraketa, distrikan’i Bekily, hitady mpividy zaza varira.
Ity farany moa no nanome ny vaovao nahafaha-nisambotra an’i Refony, fotoana fohy, taorian’ny fahazoana ny vaovao. Rehefa natao ny fisavana ny lisitry ny varira ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Beraketa, hita fa misy zaza varira roa, ao amin’ny tanàna misy an-dRefony, izay zaza varira roa, efa-taona sy herintaona, zanak’olona eo an-tanàna. Ireo zaza roa ireo, araka izany, no nokasaina hamidy rehefa nozohina ny zava-misy. Nantsoina moa ny sefo fokontany sy ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo ka nilaza fa hamonjy avy hatrany ny borigadin’i Beraketa. Nofeperana izy ireo, mba ho malina hatrany amin’ny fiandrasana ireo zaza varira ireo ary hanome vaovao malaky raha vantany misy tranga mampiahiahy. Atao andrimaso ao amin’ny Borigadin’i Beraketa, izay misahana ny famotorana an-dRefony, ary nahazo baiko ny Kaomandin’ny kaompania hanara-maso akaiky ny famotorana. Etsy andanin’izany, nohamafisina mandritra izany, ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana, ny fanentanana amin’ny hanaraha-maso manokana ireny zaza varira ireny.
Nanao fifanaraham-piaraha-miasa…

Notontosaina ny fiandohan’ity volana desambra ity, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fikambanana Varira eto Madagasikara sy ny Zandarimariam-pirenena. Ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry sy ny filohan’ny Fikambanana no nanatanteraka izany fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa izany, izay miompana amin’ny fanatsarana ny Paikady sy handrindrana, ary indrindra hitsinjovana ireo namana mpiray tanindrazana varira, izay hiharan’ny herisetra isan-karazany, tanterahin’ireo olon-dratsy, indrindra ireo mpaka an-keriny. Natao ihany koa izao fifanarahana izao, ahafaha-manisa sy miahy, ary mampianatra, miaro ireo varira manerana ny Nosy. Hisy koa ny fampahafantarana ny mpiara-monina, ho an’izy ireo, indrindra eo amin’ireo izay toerana izay tena maro azy ireo. Tiana ny manamarika fa nandritra ny roa taona izay, dia nirongatra izaitsizy ny fakàna an-keriny varira. Vokatr’izany, dia maro amin’izy ireo no mipetraka any amin’ny Tobin’ny zandarimariam-pirenena, toa ny any Isoanala, Ivatolatsaka, Belo-Tsiribihina sy ny Faritra maro manerana ny tapany Atsimon’i Nosy iny. Natao koa izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, mba hahazoan’ny fikambanana manome tanana ny zandarimaria, amin’ny fifanomezam-baovao, hitsinjovana azy ireo. Nasongadin’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, fa ireo fandraisana andraikitra nataon’ny Zandarimaria, dia saika nahitana vokatra tsara avokoa. Tsy marina ny filazana fa manana hery manokana ny vatan’ireo varira, fa finoanoam-poana izany, raha ny fifampiresahana tamin’ireo fikambanana varira ireo
Vola mitentina 1 tapitrisa mahery…

Ny sabotsy lasa teo, nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, dia natao tao Farafangana ny « Tolo-tanana », ho an’ireo Varira tezaina ao amin’ny Sejafa Farafangana. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ireo manampahefana samihafa toy ny Solombavambahoaka voafidy tany Midongy, Goverinora sy ny Prefe. Ny filohan’ny fampanoavana, ny Talem-paritry ny Mponina, ny Serasera, ny Asa tanana sy ny haitao sy ny maro hafa. Rehefa natao ny fanisana miaraka, olona sy fikambanana miisa 158 no nanome fanampiana. Vola mitentina 1.251.500 Ar, vary efatra gony sy 25 kapoaka, lamba sy kiraro no azo nandritra ity hetsika ity. Hisy tetikasa hatao an-tataratasy mikasika ny fanabeazana sy fiarovana ireto zaza varira ireto, hangatahana famatsiam-bola maharitra.




