Songadim-baovaoToekarena

FIAROVANA NY MPANJIFA: Mikaon-doha miaraka ny Fanjakana sy ny mpamongady

Taorian’ny vanim-potoan’ny Hamehana ara-pahasalamana teto amintsika, tsy vitsy ireo nitaraina mahakasika ny fiakaran’ny vidin’entana teny an-tsena, lohalaharana amin’izany ny vidim-bary. Manoloana ireny, efa misy ny fepetra raisin’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisitera misahana ny varotra. Isan’izany ny fihaonana amin’ireo mpivarotra ambongadiny eto amintsika.

Manoloana ny zava-misy mikasika ny entana ilaina maika, miara-mientana sy miara-miasa akaiky amin’ny fijerena vahaolana mandritra ny enim-bolana manaraka ho fiarovana ny mpanjifa ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (Mica), miaraka amin’ireo mpivarotra ambongadiny. Nandray ireo mpandraharaha ara-barotra, araka izany, ny Minisitry ny Varotra, Rakotomalala Lantosoa, ny 03 Novambra lasa teo. Fihaonana izay nihainoan’ny Minisitera ihany koa ny hevitr’ireo mpivarotra ambongadiny. Tetsy ankilany, mifanaraka amin’izay fiarovana ny mpanjifa izay dia nidina teny amin’ny tsena eto Antananarivo ny teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Mica eto Analamanga nijery ifotony mikasika ny vidiny sy ny fisian’ny entana ilaina andavanandro eny amin’ny tsena ahafahana mamaritra vahaolana miaraka amin’ny mpandraharaha voakasika. Ho fitohizan’ny asa dia hisy ihany koa fihaonana ihany miaraka amin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana avy any ivelany sy ireo orinasa voakasika amin’ity herinandro ity.

Asa lehibe telo

« Ny Mica dia nametraka asa lehibe telo mazava momban’ny fandrindrana ny entana ilaina andavanandro eny amin’ny tsena: fihaonana miaraka amin’ny mpivarotra ambongadiny, fidinana sy fanaraha-maso ifotony ary fivoriana arahan’asa miaraka amin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana sy orisana voakasiky ny PPN”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisitera. Tsara marihana, na talohan’ny nidiran’ny valanaretina teto amintsika, na nandritra izany, indrindra amin’izao fotoana izao dia mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo teknisianina eo anivon’ny Mica hanaraha-maso ny vidin’entana eto amintsika. Tsy mijanona eto Antananarivo ihany izany fa saika manerana ireo faritra rehetra mihitsy. Misy fepetra raisina avy hatrany ho an’ireo mpivarotra, mpamongady na mpaninjara, manao fanararaotana amin’ny vidin’entana. Raha tsiahivina, isany tranga mateti-piseho ny fanafenana ireo tahirin’entana tokony ho amidy, mba hahafahana mampiakatra ny vidiny aoriana. Hentitra, noho izany, ny Minisitera manoloana ny trangan-javatra tahaka izany.

Fermer