Songadim-baovaoSosialy

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA AO MENABE: Mpifindra monina manodidina ny 60 isa nanaiky hiverina any Atsimo Andrefana

Olona miisa 60 nifindra monina tao amin’ny faritra Menabe no niverina any amin’ny tany niaviany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, rehefa nanaiky fandaminana. Anton’izany dia noho ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ity faritra Menabe ity. Nanainga tao Morondava ny alakamisy 17 oktobra lasa teo izy ireo, ary hihazo ny distrikan’i Manja, ka hipàka avy hatrany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay tany niaviany. Ahitana zaza amam-behivavy sy lehilahy ireto mpifindra monina ireto, raha ny fantatra. Ireto farany, izay fantatra, fa nanorim-ponenana tao anaty ala, izay faritra Arovana, ary izao nanaiky fandaminana sy tapa-kevitra ny hiverina any amin’ny tany niaviany izao, rehefa nifindra monina. Tsy nandeha fotsiny amin’izao anefa, izy ireo, fa nisy ny tolo-tanana avy amin’ny “Organe Mixte de Conception” (OMC) sy ny Fitondram-panjakana any an-toerana, izay nanome vatsin-dalana ho azy ireo, dia vary milanja 50 kilao isam-pianakaviana. Fiaraha-miasa avy amin’ny mpandraharaha tsy miankina no nahafahana mitatitra ireo mpifindra monina ho todisoa tany amin’ny tany niaviany, raha ny fantatra. Teo koa ny fanomezan-tanana ny amin’ny fanamorana ny dian’izy ireo, izay nataon’ny Governoran’i Menabe, Randriantsoa Serge Lucky, sy ny Prefen’i Morondava, Rafidiison Fidèle, ary ny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena.

Ireto mpifindra monina ireto moa, raha tsiahivina, dia nahabe taraina ny mponina tao Belo sur Tsiribihina farany teo, raha tsy hilaza afa-tsy io, izay nandoro ala tao amina faritra Arovana. Nisy ny fiantsoana fivoriana maika nihaonan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay nahitana ny fitondram-panjakana isan-tokony ao an-toerana, ny OMC, ary ny olom-boafidy sy olom-boatendry. Tao anatin’izany no nandraisana fanapahan-kevitra ny nanalana ireo mpifindra monina ireo tao amin’io toerana voalaza io, mba ho fiarovana maharitra ny tontolo iainana ao Menabe, ary izao tonga amin’ny fampodiana azy ireo izao. Nanentana hatrany ny amin’ny tokony hiarovana ny ala ny tompon’andraikitra isan-tokony ao amin’ny faritra ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer