PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA: Tokantrano 200.000 hisitraka Angovo madio manomboka amin’ny taona 2023

Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fivadihana amin’ny fampiasana angovo madio, amin’ny alalan’ny Ethanol, amin’ny fahandroina sakafo isan-tokantrano. Tanjona ny hampihenana ny fandripahana ala amin’ny fanamboarana arina fandrehitra na ny saribao. Ny 15 desambra 2022 teo, nivoaka ny famatsiam-bola avy amin’ny tahirin’ny OPEP mitentina 36,5 Tapitrisa Dolara hanohanana an’i Madagasikara amin’izany vina izany.

Ny volana Aogositra tamin’ity taona ity no nisian’ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andry Rajoelina, sy ny Tale Jeneralin’ny OPEP, Abdulhamid Alkhalifa tany Vienne. Tamin’izany no efa niresahan’ny roa tonta ny fiarahamiasa azo atao eo amin’i Madagasikara sy ny OPEP amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana Angovo Madio eto Madagasikara. Ny 15 Desambra 2022 lasa teo, famatsiam-bola mitentina 36,5 Tapitrisa dolara no fantatra fa nomen’ny tahirin’ny OPEP, hanafainganana ny fidiran’ny tokantrano malagasy amin’ny fampiasana angovo madio amin’ny fahandroina sakafo, ka ny 1,5 tapitrisa dolara dia fanampiana ara-bola. Hampandroso ny fivadihan’i Madagasikara amin’ny fampiasana angovo madio, araka izany, ny fahazoana ity famatsiam-bola ity. Tanjon’ny fandaharanasa nasionaly rahateo ny hanaingana ny tokantrano malagasy hizatra ny fampiasana angovo madio, toy ny Ethanol, ka hiala amin’ny fomba fanao mahazatra izay manimba ny tontolo iainana. Tokantrano manodidina ny  200 000 no hahazo tombontsoa mivantana amin’ity tetikasa ity.

Raha tsiahivina ireo teboka manan-danja amin’ny fiarahan’i Madagasikara miasa amin’ny Tahirin’ny OPEP eo amin’ny sehatry ny Angovo, dia voalohany amin’izany ny fampihenana ny fampiasàna ny angovo vokarina avy amin’ny fampiasàna solika amin’ny alalan’ny fidirana amin’ny fampiasàna ny angovo madio azo havaozina. Eo koa ny firosoana amin’ny tetikasa « clean cooking and reforestation ». Fatana fahandroina sakafo mandeha amin’ny bioéthanol miisa 250.000 no ho zaraina ao anatin’ny 2 taona. Velaran’ala hatramin’ny 500.000ha, araka izany, no ho voaaro, izay hanamafy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ary eo amin’ny lafiny famatsiana herinaratra madio dia tokantrano hatramin’ny 3 tapitrisa no ho zaraina « kit solaire ».

Ala 1 hektara isan-taona no simba

Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fanombohana ny “Mission Life”, ny Oktobra teo, fa ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiakaran’ny maripana dia laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara. Avokavoky ny tany ny ala, hoy izy, kanefa, ny fampiasana ny arina fandrehitra, sy ny afo kitay dia mbola anatin’ny fahazaran’ny firenena aty Afrika, isan’izany i Madagasikara. Ho an’i Madagasikara manokana, ny famokarana arina fandrehitra dia manimba ala hatrany amin’ny 1 hektara isan-taona. Izany indrindra no antony nahatonga an’i Madagasikara nanamafy ny ady amin’ny fandripahana ala, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio amin’ny fahandroina sakafo. Ary ny fampiasana ny Ethanol no isan’ny lalana hahatongavana amin’izany.

Fermer