Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY COVID-19: 40 tapitrisa dolara ny vola efa navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana hatreto

Fividianana fanafody, fitaovana, ary ireo kojakoja entina miaro tena, ireo tamin’ny ankapobeny no niompanan’ny famoaham-bolan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny Unité de coordination des projets (UCP), nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, nanomboka tamin’ny taon-dasa ka hatramin’izao. Araka ny fanazavan’ny Talen’ny UCP, Rakotovao Alain, nitentina 61 763 000 dolara ny fitambaran’ny famatsiam-bvola voaray avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, izay notantanan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Midika izany, fa mbola misy ny tetibola hahafahana miatrika hatrany ny valanaretina ankehitriny, izay tsy mbola tapitra rahateo.

Nanao tatitra mahakasika ny nampiasana ireo vola ireo indrindra ny teo anivon’ny UCP omaly. Voalaza nandritra izany fa fiara mpitondra marary miisa 22 no novidian’ny Minisitera, hatramin’ny taon-dasa, ary efa naparitaka manerana an’I Madagasikara. Eo koa ireo “Concentrateurs d’oxygène” miisa 1 200 mahery, izay novidian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nanomboka ny 2020. Teo koa ny fividianana fandriana miisa 2 000 mahery naparitaka manerana ny CTC-19. Nisy koa ny fividianana “sur-blouse” maherin’ny 1 tapitrisa. “Masques FFP2” 800 000 isa koa no naparitaka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana.

Fitaovana nahafaha-nitily

Novidiana manokana koa ireo « reactif de laboratoire ». Izany hoe ireo kojakoja nahafahana nanao fitiliana, namoaka ny tahan’ireo olona voamarina, ny fitaovana fakana singa. Ireo fitaovana fanaovana fitiliana ireo izay nalefa teny amin’ny LA2M ary ity farany indray avy eo no manaparitaka izany. Nisitraka azy ireny koa ny teny amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato sy Nosy Be.

Ankoatra izay, an-tapitrisany ireo fanafody novidiana. Isan’izany ny Azithromycine, ny paracetamol, vitamine C, Magné B6. Nisy koa ny fividianana ireo “radiographie numérique” miisa 25, sy ireo « respirateurs » miisa 130. Nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny UCP fa misy “ambulance” miisa 65 mbola hovidiantsika, misy koa ny Genexpert alefa eny anivon’ny Distrika izay tsy manana “laboratoire d’analyse” mba hahafahana manao fitiliana eo an-toerana ihany. Miisa folo eo ireo Genexpert ho avy hatramin’ny volana jolay fara fahatarany. Ankoatra izay, misy Genexpert 40 mbola ho avy ao anatin’ny fiarahamiasa mpiara-miombona antoka, araka ny fanazavana hatrany.

Fermer