Songadim-baovaoSosialy
FIATREHANA NY COVID-19: Handefasana Vaksiny Janssen i Nosy Be sy Sainte Marie anio
Tsy an-tery fa an-tsitrapo ny fanaovana vaksiny iadiana amin’ny Covid-19, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa izany nandritra ny fiakaran’ny tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Ity tomponandraikitra ity izay nanambara ny efa fisokafan’ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te hisitraka izany, izay atao amin’ny fomba telo samihafa.
Hatreto, tsy mbola niova tamin’ny foto-kevitra nijoroany ny Fitondram-panjakana manoloana ny fanaovana vaksiny Covid-19. Tsy manohitra ny fanaovana izany, kanefa tsy manery ihany koa. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka anefa, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, dia samy miasa ho fampitomboana ny hery fiarovan’ny olona, na ny Vaksiny, na ny CVO izay efa nahitam-pahombiazany hatramin’ny taon-dasa. Araka izany, mamela malalaka ny tsirairay hanao ny safidiny amin’izay hiarovan’izy ireo tena ny Fanjakana.
Ho an’ireo izay hisafidy ny hisitraka ny vaksiny, araka izany, dia efa misy indray ny lamina navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa ho avy tsy ho ela ny fatra faharoa amin’ilay vaksiny covishield efa nampiasaina teto amintsika, ka, ireo rehetra efa nisitraka ny fatra voalohany ihany no hahazo anjara amin’izany. Izany hoe, tsy misy intsony ny fisoratana anarana atao amin’ity karazana vaksiny iray ity.
Ny Vaksiny Johnson & Johnson na Janssen kosa indray dia natokana ho an’ireo olona tsy mbola natao vaksiny iadiana amin’ny Coronavirus mihitsy. Tsy maintsy misoratra anarana, noho izany, ireo izay te hisitraka izany mba ho fandaminana. Efa misokatra, araka izany, ny fisoratana anarana “en ligne” na amin’ny alalan’ny Internet, ao amin’ny tranonkala https://vaksiny.gov.mg/. Fomba faharoa hahafahana misoratra anarana ihany koa ny SMS na ny simaiso. Ity farany izay nambaran’ny Minisitra fa mbola misy fandaminana atao kely mialohan’ny tena hampiharana azy. Ny fandehanana mivantana eny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra na CSB kosa no fomba fahatelo hahafahana misoratra anarana
Vaksiny Janssen 10 000 000 fatra
Ho an’ireo misionera mankany ivelany, na mpianatra, na koa ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy mbola nanao vaksiny, dia afaka misoratra anarana eny amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana izy ireo, hoy ny Minisitra. Ankoatra izay, anio no fantatr fa hihazo an’I Nosy Be sy Sainte Marie ny ampahany amin’ireo Vaksiny Janssen azontsika. Raha tsiahivina, anisan’ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika manokana ny tokony hanamafisana ny fanaovam-baksiny any amin’ireo toerana ireo mba hiomanantsika sahady amin’ny fisokafan’ny sisin-tany, ary koa, ny fandraisana ny mpizahatany. Notsindrian’ny Minisitra omaly, araka izany, fa miankina amin’ny fisoratana anarana sy ny fahavononan’ny fampitaovana no hanombohan’ny fanaovana vaksiny.
Tsara ho fantatra fa nahazo Vaksiny Janssenn 302 400 fatra, fanomezana maimaimpoana nomen’ny Amerikanina isika. Nambaran’ny Filoha, ny alahady teo koa fa nanome vaksiny antsika ny Filoham-pirenena Sinoa, izay ahitana 300 000 fatra amin’ilay karazany Sinopharm. Ankoatra ireo, nisy ihany koa ny vola mitentina 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisampirenena hahafahantsika mividy vaksiny Janssen hatramin’ny 10 000 000 fatra. Izany hoe, ny 50%-n’ny Malagasy no hisitraka vaksiny raha ny fanazavan’ny Filoha hatrany.



