PolitikaSongadim-baovao
FIATREHANA NY FIFIDIANANA: Miantso fitoniana ny Filohan’ny Antenimierandoholona
Eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, dia nivoaka tamin’ny fahanginany, ary nanao fanambarana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa omaly. Nohamafisiny tao anatin’izany fa ny datin’ny 08 Septambra 2023 dia nandefa taratasy teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tokoa ny tenany nanambara fa tsy afaka hiantsoroka ny andraikitra maha-filoham-panjakana mpisolo toerana noho ny antony manokana.
“Tsy ilaina ny krizy politika sy ny fanakorontanana iniana volena eto amin’ny Firenena”, hoy izy. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona izay miantso ireo kandida sy ny mpanao politika Malagasy rehetra mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny Firenena mandrakariva, hifantoka tanteraka amin’ny fifidianana fa tsy sanatria hamorona korontana, tsy hitondra voka-tsoa velively ho an‘i Madagasikara. Miantso ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tenany mba ho tony mandrakariva ary tsy hiroroa saina fa hizotra am-pilaminana amin’izay fiatrehana ny fifidianana izay mba hamaritana izay hitondra ny firenentsika ao anatin’ny 5 taona manaraka indray.




